8 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 1-8)

Ry mpihaino hajaina, rahefa mihaino ity Soratra Masina ity isika dia mety manaitra antsika ny fiderana nataon’ilay tompony an’ilay mpitandrina tsy marina tamin’ny fampiasany hafetsena. Hoy izy: “Hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana”. Sanatria ve kamamporisika antsika hangalatra, hanao ny tsy marina ny soratra masina? Sa inona no nahatonga ilay tompony hidera ilay mpitandrina tsy marina?

Tsia, tsy mamporisika antsika hanao izany ny soratra masina. Ilay mpitandrim-pananana aza dia voaroaka tsy afaka hitandrina ny fananan’ilay tompony intsony. “Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao”. Fa teo indrindra no nahatonga ity mpitandrim-pananana ity nandinika hoe esorina amin’ny asako aho ity ka inona no hanjo ahy rahampitso? Tsy niandry fotoana lava izy fa nitady fomba avy hatrany hitsinjovany ny rahampitsony.

Raha isika izay atao hoe zanaky ny fahazavana ary no tenenin’ny namantsika hoe ho very ianao na ho faty ianao na ho any amin’ny fahaverezana ianao raha tsy miova na tsy mibebaka. Inona no hataontsika avy hatrany? Hiandry fotoana sa hiova avy hatrany ve? Ilay fitsinjovana ny rahampitso tamin’ny fomba haingana no nampiaiky ilay tompony an’ity mpitandrina ity. Nahazo namana hitsinjovany ny rahampitso izy tamin’ny fampiraharahana tsy ara-dalana. Noho izany, mba ho zanaky ny fahazavana sy ho zanak’Andriamanitra dia tsy maintsy ho naman’ny olona rehetra.

Maro ny zavatra vitantsika olombelona malaky dia malaky: fivoaran’ny teknolojia, fifandraisan-davitra, fanamboarana fitaovam-piadiana... Tsy mitondra amin’ny fandriam-pahalemana sy fiadanana loatra fa vita malaky sy àry fomba. Kanefa manoloana ny ady, ny fahantrana, ny famoronana asa, ny fampihavanana, tsy misy mitady vahaolana haingana hanafoanana izany. Ary indraindray isika dia mijanona mpivavaka tsotra fotsiny fa tsy manana risi-po be loatra loatra manoloana ny fitadiavam-bahaolana maharitra ho an’ny fiaraha-monina.

Ry Ray ô, ampianaro hiova sy handray andraikitra haingana izahay manolona ireo zava-miseho andavanandro izay mitaky vahaolana entinay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...