24 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahasivy amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 49-53)

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tonga hanipy afo ety ambonin’ny tany Aho,
ka akory ity faniriako mba hirehetan’izany sahady!
Ary manana batemy hanaovana batemy Ahy koa Aho,
ka ory manao ahoana Aho ambara-pahatanterak’izany!
Moa ataonareo fa tonga hitondra fihavanana ety an-tany Aho?
Tsia, hoy Izaho aminareo, fa fampisarahana aza.
Satria hatramin’izao raha olona dimy an-trano iray,
dia hanao an-daniny, ka hifanohitra ny telo amin’ny roa, ary ny roa amin’ny telo;
ny ray amin’ny zanany lahy, ary ny zanakalahy amin’ny rainy;
ny reny amin’ny zanany vavy, ary ny zanakavavy amin’ny reniny;
ny rafozam-bavy amin’ny vinantony vavy, ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...