10 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 5-13)

“Mangataha dia hahazo ianareo”. Io tenin'i Kristy tantarain'i Masindahy Lioka io no tohin’ny fangatahan’ireo mpianatra hampianarina mivavaka. Entiny lavidavitra kokoa ao anatin’izay fiainam-bavaka ireo mpianany, hahatsapan’izy ireo ny toetran’ilay Andriamanitra ivavahany. Ary tamin’ny alalan’ny zava-misy iainatsika olombelona indrindra no anehoany ny endrik’ilay Andriamanitra, Rainy fa Raintsika rehetra koa. Mihoatra noho izay mety ho fiheverana na faniriana tsara ho antsika olombelona Andriamanitra, manome izay rehetra ilaintsika Izy, ary nanolotra ny tenany ho antsika mihitsy koa aza. Ray tsara fo indrindra Izy, Ray tia antsika zanany, mahafantatra antsika sy izay ilaintsika. Ny hany tokony ataontsika manoloana io fitiavana sy fanomezana lehibe ataony antsika zanany io dia ny matoky Azy ary mangataka Aminy.

Inona anefa no angatahana? Ary nahoana no tsy azontsika Aminy izay angatahantsika? Fanontaniana ireo, hanitsiana amin’izay mety ho fiheverantsika izany hoe: mivavaka, na izay mety ho fahazoantsika koa aza ny momba an’Andriamanitra. Matoa tsy omena antsika izay angatahantsika dia satria tsy sitrak’Andriamanitra, ary tsy hahasoa antsika. Andriamanitra tsy hanolo-bato mafana ny zanany. Fa ny fanomezana ambony indrindra mila angatahana dia ny Fanahy Masina. Io Fanahy io no tokony hangatahantsika amin’ny vavaka ataontsika. Angatahana mba hitoetra lalandava ao anatintsika, hanome hery, hitarika sy hanoro ny diantsika, hanafaka antsika amin’ireo tebiteby sy ahiahy isan-karazany, ary farany hahamasina antsika dieny ety an-tany.

Tsy miafina eo anatrehan’Andriamanitra ny toetrantsika, ny fetra sy ny tsy fananantsika hery, mila Azy mandrakariva isika, koa aza misalasana miteny Aminy toy nataon'i Masindahy Piera tamin'i Jesoa hoe:” Ianao mahalala ny zavatra rehetra Tompo, fantatrao fa tiko Ianao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...