9 ôktôbra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 1-4)

Ny zava-dehibe indrindra iainana ny maha mpianatr’i Kristy antsika no rentsika tamin’ny Evanjely teo, dia i Kristy mampianarana mivavaka. Vavaka niainga tao Aminy fa atorony antsika mpianany koa, isaky ny manatanteraka izany isika.

Notantarain'i Masindahy Lioka teo fa nahita an'i Jesoa nivavaka ny mpiananany, dia nangataka azy hampiananatra azy ireo hivavaka. Io nataon'i Jesoa io no fianarana ho antsika voalohany, tsy hoe hampianatra ny olona hivavaka fa haneho aminy ny fivavahana. Ka ny fahitany antsika amin’izany no hampangetaheta azy koa hivavaka ary hampianatra azy ny fomba fivavaka tsara toa ny nataon'i Jesoa ny mpianany.

Fa vavaka manao ahoana no atao? Tonom-bavavaka manao ahoana? Ity vavaka nampianarin'i Jesoa ity dia mametraka sahady ny hoe: alohan’ny hiheverana ny an’ny tena dia mila itodihana aloha Andriamanitra, mila banjinina ny fitiavany. Ka iantsoana Azy hoe: Ray. Ray tsara fo amin’ny olona rehetra. Noho ny maha Raintsika Azy no iainantsika rehetra toy ny mpiray tampo. Hifandraisantsika rehetra toy ny zanaka. Any an-danitra Izy, fa mitsinjo sy mamomba ny fiainantsika ety an-tany, Ray eo anivontsika. Ao anatin’ny vavaka ataontsika isika no mitodika any amin’Andriamanitra, fa mitafy koa ny toetry ny zaza, matoky tanteraka ny Rainy.

Ao amin’io vavaka nampianarin'i Jesoa, na io Rainay io, hoy isika, ny antso ho antsika hitodika any amin’Andriamanitra, hanao izay hahamasina ny anarany, ary hitsaoka Azy, Andriamanitra ivavahana. Hampianatra ny olona hahay hanaja ny anaran’Andriamanitra, sy hanao izay hahatanteraka ny ny Fanjakany. Hananan’Andriamanitra ny toerana voalohany ao am-pontsika sy hankatoavantsika Azy, fa koa hanorenantsika tontolo mahasambatra sy mitondra hafaliana ho an’ny rehetra. Dia tontolo anjakan’ny fahamarinana sy fitiavana ary fihavanana marina izany.

Ny tapany faharoa, amin’io vavaka nampianarin'i Jesoa ny mpianany io, no ijerentsika ny tenantsika mivavaka, dia ny sakafo ilaina izany na ara-tsaina na ara-batana fa indrindra ny ara-panahy, ahafahantsika mijory amin’ny maha zanak’Andriamanitra antsika, sy haneho amin’ny ataontsika ireo mampiharihary ny maha an’Andriamanitra an’Andriamanitra, sy ny indrafo mamelona ny fifandraisantsika Aminy ary mikolokolo ny fifankatiavantsika samy zanany. Ary ny mamarana io vavaka io ny fangatahana mba hampanalaviran’Andriamanitra antsika ireo fakam-panahy, mitarika antsika tsy hatoky an’Andriamanitra fa hiantehatra amin’ny zavatra hafa.

Ao anatin’io vavaka fanaontsika io no itodihantsika amin’ny Ray. Isehoan’ny maha zanaka antsika koa. Enga anie mba hahitantsika sitraka lalandava eo anatrehany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...