7 ôktôbra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito amby roapolo Mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 25-37)

Rentsika teo ny fanirian’ity Mpahay lalana, maka fanahy an'i Jesoa: “Inona no ataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay”, mampanontany tena satria ny mahay lalana indray no manontany. Toy ny olona manatsafa ihany antony ny lalana indrindra no tari-dalana ho an’ny vahoaka hizorany any amin’ny fiainana mandrakizay. I Jesoa kosa etsy andanin’izany, nanontany azy izay fantany voalazan’ny lalana. Ary azo lazaina fa ny fototry ny didy na ny lalana indrindra no navalin’ity mpahay lalana ity an'i Jesoa. Fitiavana an’Andriamanitra miaraka amin’ny toetra sy ny fomba anehoana izany ary ny fitiavana ny namana tahaka ny tena. Ny fiainana mandrakizay anefa tsy mijanona amin’ny fankatoavana ny lalana fotsiny ihany. Ny hoe tia an’Andriamanitra sy ny namana tahaka ny tena, tsy mandeha ho azy fa mety hihatra aman’aina aza.

Io indrindra no ilazan'i Jesoa ny namana mila tiavina. Tsy ireo namanao na iray tanindrazana aminao na ny fianakavianao ihany, araka ny voalazan’ny Levitika 19, 15-18, fa ireo olona tojo na tafahaona aminao. Izany hoe ireo noharin’Andriamanitra mitovy endrika Aminy, fa mitovy amin’ny tena ihany koa. Noho izany, ny fomba itiavantsika an’Andriamanitra no fomba ihany koa entintsika mitia namana. Fitiavana tsy misy tombo sy hala ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny namana. Fampianaran’i Kristy antsika izany araka ny hitantsika (Mt 25) “Izay ataonareo amin’ireny madinika indrindra ireny dia nataonareo amiko koa”.

Fa ny faharoa endriky ny olona mila tiavina, atoron'i Kristy, dia olona mila vonjy, ambavahaonan’ny fahafatesana, efa saika maty hoy ny fitantaran’ny Evanjely teo. Ny Papa François dia mampianatra antsika mandrakariva “Tsy hanao vain-drahalahy tsy maharary na tsy hivaky loha amin’ny marary ny hafa”. Toetra takiana amin’ny maha kristianina ny asam-pamonjena atao amin’ireo tra-pahoriana. Ka handravana ireo rindrina mampisaraka, voalazan’ny fanoharana nataon'i Kristy tamin’ny Evanjely teo:

  • Ny rindrin’ny fomba amam-panao, ny fadifady isan-karazany ka mahatonga fanampena-maso manoloana ny fahorian’ny hafa. Toy ny nataon’ilay mpisorona sy Levita, tsy nahalala afa-tsy fitandreman-tena tsy ho voaloto mba ho afaka ho ao an-tempoly.
  • Ny rindrin’ny tsy fandrenesana ny hirifirin’ny hafa miantso vonjy etsy sy eroa.
  • Ny rindrin’ny tahotra sao voarohiroy na voafatopatotra.
  • Ny rindrin’ny tahotry ny valifaty.
  • Ny rindrin’ny fifandrafesana, sahala amin’ny zava-misy eo amin’ny Samaritanina sy ny Jody.

Isika kristianina indrindra no ilay hafa, manana fo mitempo, antenain’ny maro, toa an’ilay Samaritanina, nitia araka ny tena sitrak’Andriamanitra, eny fa na dia noheverina tsy ho vahoakany akory aza. Ary io nataony io no fomba entintsika ankehitriny mikatsaka ny fiainana mandrakizay. Meteza hanantanteraka ny tenin'i Kristy tamin’ilay mpahay lalana hoe: “Manaova koa toy izany.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...