2 ôktôbra 2024 — Ny Anjely Mpiambina — Fahatsirovana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)

Aroso antsika amin’izao fetin’ny Anjely mpiambina izao ny mahakasika ny fanjakan’ny lanitra. Nantsoin’i Jesoa ho eo afovoany ny zazalahy kely hampianarany izany. Efa nazavaintsika tany aloha ihany izany fa iverenantsika eto: ankoatra ny fahatsorana amin’ny zaza mantsy dia zava-dehibe aminy ny fianteherany tanteraka amin’ny ray aman-dreniny, mora mandray zavatra izy satria mbola madio ny sainy, izay toy ny “disque dur” ka mila tandremana sao simban’ny “virus” toy ny fitenenan-dratsy… Ny hoe eo afovoany koa midika fa aoka ho ivon’ny fiainantsika io fanjakan’ny lanitra io. Izany hoe izay ataontsika rehetra ikendrena azy io. Ho an’ny sasany mantsy ataony anjorom-bala ny Fanjakan’ny lanitra ka tsy ilofosana na imatimatesana fa variana amin’ny fiainana mandalo, manao ny danin’ny kibo, manjehy ny andro ho lava, tsy mivaky loha amin’ny fiainan-ko avy fa ny anio dia ny anio ihany, rehefa misy ilaina vao mankany am-piangonana ka rehefa azo iny dia any indray aloha. Misy aza moa, mahamenatra mihitsy, fa vatapaty itondrana azy rehefa maty ihany no ilany ny Eglizy ka tena loza! Mila mandray ny fanjakan’ny lanitra toy ny zaza isika ka raha tsy eo ny ray aman-dreniny dia mitomany izy, tsy azo avela irery. Hita izany rehefa mampatory zaza ka mitomany izy rehefa taitra tsy mahita olona. Izany hoe aoka koa isika hanao toy izany ka hahatsapa fa tena ho voa mafy isika raha tsy eo anilantsika Izy Andriamanitra ka mila midongy miantsoantso Azy amin-dranomaso raha ilaina. Tsy inona akory izany ranomaso izany fa ny fanaovana lemozy aminy amin’ny vavaka ataontsika.

Izay mahay manetry tena toa an’ny zaza ihany koa no hahazo ity fanjakan’ny lanitra ity. Toy ny lohalika sy laferana ka mandina izay milefitra. Hiakatra ambony any amin’ny fanjakan’ny lanitra izay mahay midina mandefitra. Midika koa eto fa tsy mety ny manao tsinontsinona ny zaza, araka ny hoe: “Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa”. Raha tsorina izany dia sekoly mampianatra antsika lehibe ny fanjakan’ny lanitra ny zaza ka mahaiza mianatra aminy. Tsy ny zaza ihany anefa fa ireny madinika ireny koa, araka ny lazain’i Jesoa, izay ampitoviany amin’ny zaza, hoy Izy: “Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza; fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.” Koa meteza ho madinika amin’ny fisainana, ka tsy hisy hanakantsakana ny fiombonana amin’Andriamanitra dia ho azo ny Fanjakan’ny lanitra fa tsy hibontsina amin’izao karazam-pahotana rehetra izao dia ho lasa vaventy amin’ny fisainana ka hanalavitra ny Fanjakan’ny lanitra, dia mibontsina amin’ny fiavonavonana, ny fanenjehana, ny fankahalana, ny fialonana, ny hasomparana, ny halainana, ny fahihirana, ny hakamoana ary izao hadalana rehetra izao… izay manavesatra antsika.

Izy Jesoa no milaza fa misy ny Anjely ka manana ny Anjely mpiambina antsika isika, antsoy izy ireny hanampy antsika hiditra amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...