13 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Ny tenin’Andriamanitra dia maharitra mandrakizay; ary izany tenin’Andriamanitra izany dia ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 39-42)
Rehefa mamaky na maheno an’ity Evanjely ity isika, dia mitodika avy hatrany amin’ny tenantsika, ny fijerintsika. Ka maro ny fanontaniana tonga ao an-tsaintsika. Fijery mitsara sa mamela heloka? Fijery tsy miraharaha? Mifantoka amin'ny fitsarana an-tendrony sy ny fisehoana ivelany sa amin'ny zava-baovao? “Jamba” mijery ny tena sy ny hafa ka tsy mahita afa-tsy sombin-bozaka eo amin’ny mason’ny rahalahy fa tsy mahita ny sakamandimby ao amin’ny mason’ny tena?
“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra; ny mpianatra mahay rehetra dia ho tahaka ny mpampianatra azy” (and. 40); Izay manana fo madio dia mpianatr’i Jesoa ka afaka mijery tahaka ny fijerin’Andriamanitra; i Kristy no hitany ao amin’ny hafa. Lalana feno fanadiovana anatiny izany, lalan’ny Fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra, eo anoloan’ny tena sy eo anoloan’ny hafa. Sambatra isika raha mahavita mijery ny hafa ho toy ny fitaratry ny zavatra iainantsika: raisintsika ho antsika ny fahalemeny, ny fahotany, ny fejeriny. Amin’izay, tsy manameloka ny fitanjahan'ny hafa intsony ny masontsika fa manarona azy amin'ny lambam-pamindrampo, mahita ny "tsara" ao aminy. Isaky ny mamela ny famindrampon’Andriamanitra hamolavola antsika sy hanova antsika ary hanadio antsika isika, dia mahatsapa ny fahoriana sy ny fijalian’ny hafa ka velom-pangorahana azy. Manova endrika sy manafaka ny fitiavana.
Tsy mitsahatra ny mampianatra antsika ny fomba fitondran-tena amin’ny mpiara-belona amintsika i Jesoa: ny kristianina tsirairay dia antsoina ho mpitari-dalana, mpanoro lalana, mpampianatra ihany koa. Dingana no ataontsika, ampian’ny fahazavan’ny Fanahy Masina: mahafantatra ny tenantsika, manadio ny masontsika, manadio ny fanahintsika amin’ny fanenenana sy ny fahasoavan’ny Tompo. Mila fanetren-tena izany. Io fanetren-tena io no hanampy antsika hitarika ny hafa hanahaka an’i Kristy. Ary rehefa marina amin’ny tenantsika isika dia itokisan’ny olona ka hahatonga azy koa hanitsy ny tenany.
Halan’i Jesoa ny mpihatsaravelatsihy, ireo mitsara tsy misy fitiavana sy tsy manan-tsaina, ireo mitady ny hoheverin’ny hafa, nefa tsy tena misedra olana manoloana ny fahadisoany. Izany no andry lehibe eo amin'ny mason'ny mpihatsaravelatsihy. Koa enga anie Andriamanitra hanavotra antsika amin’izany fanalam-baraka izany.