6 septambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo, tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 5, 33-39)

Ry kristianina havana; mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fivavahana ny fifadian-kanina; miteraka ady hevitra nefa izy eto satria tsy mitovy ny fomba fijery. Ny farisianina sy ny mpianatr’i Joany Batista dia mifady hanina matetika satria maha mpivavaka ny jody izany; izay no fomba raikitra ho lalàna; ny an’i Jesoa kosa tsy mba mifady satria tsy izay fombafomba ivelany no tanjony, tsy ny lalàna no tanjony fa ny fanandratana ny olombelona sy ny voninahitr’Andriamanitra.

Ho antsika ankehitriny moa dia amin’ny karemy sy rehefa misy zavatra manokana angatahana no mifady hanina; fa entanina amin’izany fifadian-kanina matetika izany isika satria ny tanjona dia fifehezan-tena, fampandeferana ny ara-nofo mba hampitomboana ny aim-panahy sy hanjakan’Andriamanitra. Izao ilay zava-baovao entin’i Jesoa fa tsy noho izy lalàna akory.

Isan’ny fepetra takian’ny Evanjely ny fihavaozana, famelana ny zavatra taloha, izay nentim-paharazana sy nentim-pahazarana mba hitovy fijery amin’i Jesoa Kristy. Araraotina ny fotoana ananana an’i Jesoa dieny mbola eo amintsika izy. Ka rehefa nisafidy azy dia aleo Izy hatramin’ny farany fa tsy mbola fangaroina zavatra hafa indray. Izay ilay siny vaovao asiana divay vaovao. Finoana velona tsy misy famahony no mahavonjy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...