9 aogositra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 24-28)

Ry kristianina havana! Raha niezaka namantatra an’i Jesoa tahaka ny nataon’i Piera isika omaly amin’ny fandalinantsika ny finoantsika an’i Kristy, ary izay finoantsika Azy izay no mitarika antsika hanara-dia azy, dia isika kristianina mandrafitra ny Eglizy. Androany kosa dia apetrak’i Jesoa amintsika ireo fepetra takiana ary tokony hananan’izay manara-dia Azy. “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka Ahy”. Araka izany tenin’i Jesoa izany dia misy toe-po amam-pomba fiainana telo tsy maintsy iainan’ny kristianina mba haha mari-pototra izany maha kristianina azy izany.

Voalohany amin’izany ny tsy maintsy handavana ny tena. Ny hoe “mandà tena” dia azo ampifandraisina amin’ny hoe: tsy manaiky tanteraka ny sitrapon’ny tena na ny filan’ny tena, manao “tsia” amin’izay mahafinaritra sy tiana hatao fa manao “eny” kosa manaiky ny sitrapon’Andriamanitra, ary izany sitrapony izany dia tanterahina isan’andro, isan’ora eny isan-tsegondra mihitsy aza.

Ny faharoa dia ny “fitondrana ny hazofijaliana”, ny fiainana kristianina mantsy dia fiainana feno fahafoizan-tena hanampy ny hafa, hanolo-tanana azy ka amin’izany isika dia antsoina mandrakariva hieritreritra ny hafa sy hanadino ny tenantsika. Toy izany ny hazofijalian’i Kristy, hazofijaliana vokatry ny fitiavana antsika ka nahafoizany ny ainy mba hahavelona antsika. Koa ilay hazofijaliana ambarany fa tsy maintsy entintsika dia ny fitiavana.

Ary ny fahatelo farany dia ny “fanarahana Azy”. Eo amin’izay fanarahan-dia an’i Jesoa izay dia tsy maintsy maharitra isika ary tsy maintsy vonona hanara-dia Azy na aiza na aiza alehany sy hitondrany antsika. Mazava àry fa tsy mora ny miaina ny fiainana maha kristianina noho isika antsoina ivelona eo amin’ny fiainana andavanandro ny fiainan’i Kristy. Fihirantsika matetika ny hoe “tiako ny hiaraka aminao Jesoa, na aiza na aiza hitondranao ahy”; enga anie io tsy ho tononkira hirain’ny vava fotsiny na hijanona eo imolotra fotsiny fa mba ho tena lasa fiainantsika mihitsy ary ahafahantsika mamaly ny sitrapon’Andriamanitra.

Jesoa Tompo ô! Raha ny herinay samirery dia tsy ho afaka hanana ireo toe-po takian’ny maha kristianina anay ireo izahay. Koa mba omeo anay ny Fanahy Masina hitantana sy hankahery ary hanazava anay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...