8 aogositra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 13-23)

Ry kristianina havana! Diso fantatsika loatra ity ampahana Evanjely naroso ho antsika teo ity satria hanasongadinan’i Matio mpanoratra ny Evanjely ny nanorenan’i Jesoa ny Egliziny tamin’i Piera, vokatry ny faharesen-dahatr’i Piera ny momba azy ho Mesia, Zanak’Andriamanitra velona. Efa maro ny manambara izany endriky ny Eglizy izany ao amin’ny Soratra Masina, indrindra any amin’ny Testamenta Taloha, fa mbola nanjavozavo izany. Anisan’ny fototra ara-tSoratra Masina manambara ny fiorenan’ny Eglizy amin’ireo Apôstôly izay vatofototra roa ambin’ny folo ity Evanjely norenesintsika teo ity. Norenesintsika teo àry fa anisan’ny fanontaniana fototra tokony hapetraky ny kristianina tsirairay amin’ny tenany isan’andro ny hoe: Iza moa i Jesoa ho ahy? Fanontaniana fototra satria miainga amin’izay valin-teny lazaina ny endrim-pifandraisana hisy eo amin’ny tsirairay sy i Jesoa. Sarotra tokoa ny hanaraka na hatoky olona tsy fantatra, ka isika kristianina mpanara-dia an’i Jesoa dia mila tokoa mamantatra hoe Iza marina ity Kristy arahiko ity. Tao aorian’ny nilazan’i Piera hoe: “Ianao no i Kristy zanak’Andriamanitra velona”, fehezan-teny izay maneho ny fahalalan’i Piera an’i Jesoa ary antsoina koa hoe fiekem-pinoan’i Piera, dia lasa nihamafy tokoa ny fifamatoran’i Jesoa tamin’ireo mpianany izay efa niara-nitoetra taminy fotoana maharitra sy nanaraka Azy tamin’izay toerana rehetra nalehany. I Piera araka ny voalazantsika ery ambony dia nofidin’i Jesoa ho andrin’ny Eglizy naoriny, mba hamondronana ny olombelona rehetra ho vahoakan’Andriamanitra sy hiarovana azy ireo amin’ny fahavalon’Andriamanitra.

Eo andanin’izany, dia mbola manaporofo ny fahamafisan’ny fatoram-pifankatiavana sy ny fifankahalalana eo amin’i Jesoa sy ny mpianany ny famborahany tamin’ny mpianany roa ambin’ny folo lahy ny tsiambaratelon’ny maha izy Azy, dia ny maha Mpamonjy na Kristy; sy ny zavatra miandry Azy amin’izany dia: ny fampijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganany ho velona afaka hateloana. Tsy vokatry ny fahaizana amam-pahalalantsika olombelona velively anefa ny fahafahana milaza fa i Jesoa no Mpamonjy, tahaka ny filazan’i Piera ny momba an’i Kristy teo, fa fahasoavana raisintsika maimaim-poana avy amin’Andriamanitra Ray izany, ary fahasoavana izay tonga ao amintsika arakaraka ny handalinantsika ny finoantsika sy iainantsika azy eo amin’ny fiainana andavanandro. Aoka àry isika mba hazoto handalina ny finoantsika, hazoto handalina ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika, ary tsy hahasaraka an’i Kristy satria Izy irery no hany Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana; ary raha tsy amin’ny alalany dia tsy ho tonga any amin’ny Ray isika.

Andriamanitra Ray ô! Ampio toa an’i Masindahy Piera, izay andrinay sy fiolhanay izahay, mba hahita sy hahalala ary ho resy lahatra fa i Jesoa no Mpamonjy anay. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...