6 aogositra 2024 — Ny Niovan'ny Tompo tarehy — Fety — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahiko, henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 2-10)

Ry kristianina havana! Mankalaza ny niovan’ny Tompo tarehy ny Eglizy androany, ary ny mahakasika izany indrindra no ambaran’ny Vaovao Mahafaly aroso ho sakafom-panahintsika amin’ity andro anio ity. Samy milaza io fiovan’ny Tompo tarehy izay hihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra io avokoa moa ireo Evanjelista telo amin’ny sinôptika, fa araka ny filazan’i Masindahy Marka azy no henontsika teo amin’izao taona B izao. Hita taratra amin’ny Vaovao Mahafaly teo fa tao anatin’ny vavaka nataon’i Jesoa izay nitokana tany an-tendrombohitra niaraka tamin’ireo mpianany telo lahy no nisehoan’izany zavatra mahagaga izay ihariharian’ny voninahitr’Andriamanitra izany. Isarihana ny saintsika izany ary amporisihina antsika mba hivavaka mandrakariva fa ao anatin’ny vavaka ataontsika no hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra, ary hanehoan’Andriamanitra amintsika koa ny voninahiny ary ahitantsika fahasoavana tsy eritreretintsika na tsy ampoizintsika.

Na tamin’ny nanaovana Batemy an’i Jesoa tany Jordany, na tamin’ny niovany tarehy tany an-tendrombohitra, dia samy re ny tenin’Andriamanitra Ray manao hoe: “Inty no Zanako malalako”, teny izay manainga antsika hanaraka an’i Kristy izay nanangana antsika ho zanak’Andriamanitra tamin’ny Bateny noraisintsika sy mpiara-mandova Aminy ny fanjaka’Andriamanitra; satria Izy no Lalana. Teny iangavian’Andriamanitra antsika hifikitra amin’Izy Kristy Zanany satria Izy no Fiainana. Tao anatin’ny fahakiviana tokoa mantsy ireo apôstôly izao nentin’i Jesoa nankany an-tendrombohitra mba hankaherezina izao. Tiany ho tsapan’izy ireo fa ao Aminy no hanovozantsika ny fiainana tena izy. Teny ihany koa iangavian’Andriamanitra antsika zanany hihaino an’i Jesoa satria Izy no Fahamarinana ka mitarika antsika amin’ny marina rehetra.

Niova tarehy teo anatrehan’ny Apôstôly telo lahy araka ny efa voalazantsika tetsy ambony, ary mba hanomanany azy ireo tsy ho tafintohina noho ny fijaliana amam-pahafatesana tsy maintsy hihatra amin’ny tenan’Izy Tompo; nefa dia tian’i Jesoa koa izany hanehoana amintsika ny fiovana mahagaga tanteraka ao amintsika vokatry ny Batemy izay mahatonga antsika ho zanaka malalan’Andriamanitra sy mpiray lova amin’i Kristy araka ny efa volazantsika teo. Hoy mantsy i Masindahy Joany: “Ho tanteraka amin’ny zanak’Andriamanitra rehetra ny fiovan-tarehy efa nampamirapiratra an’i Kristy ka amin’ny andro hampisehoana izany dia hiharihary sy ho fantantsika fa hanana an’i Jesoa Tompo isika”. Ny Eokaristia àry no mampiray antsika amin’ny Jesoa Andriamanitra dieny ety an-tany, koa aoka isika mba samy hiezaka sy hilofo amin’ny fivavahana ary hazoto manao kômonio miaraka amin’ny fiomanana amin’izany, mba hahafahantsika miombona tanteraka amin’i Jesoa araka ny fiangavian’Andriamanitra antsika, mba ho feno famirapiratana isika rehetra zanak’Andriamanitra rehefa hifanatri-tava Aminy any an-koatra.

Jesoa Tompo ô! Hery lehibe ho an’ireo Apôstôly ny fiovanao tarehy tany an-tendrombohitra, koa enga anie izahay hahazo hery avy amin’ny Fanahy Masina ka hazoto hihaino Anao, mba hahitanay ny lala-mahitsy hizorana. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...