4 aogositra 2024 — Alahady Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 24-35)

Ry kristianina havana! Tao aorian’ny nampitomboan’i Jesoa ny mofo ka namokisany vahoaka maro no nanaovany ity fampianarana aroson’ny Evanjely ho antsika androany ity, raha nandeha nitady azy ny vahoaka noho izany fahagagana nataony izany. Anisan’ny misongadina amin’ny fahagagana ataon’i Jesoa ary mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny Evanjelin’i Masindahy Joany ity fampitomboana ny mofo ity. “Tsy i Moizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra, hoy i Jesoa, fa ny Raiko no nanome anareo ny mofo tena izy avy any an-danitra. Satria ny mofon’Andriamanitra dia izay nidina avy any an-danitra ary manome ny fiainana an’izao tontolo izao”. Midika zava-dehibe izany hoe avy any an-danitra izany, izay miverimberina izy eto. Midika avy hatrany ny mistery lehibe fonosin’ny Eokaristia izany, izay manambara an’i Jesoa ho Mofon’ny fiainana araka ny nambarany. Ankatoky ny hanatanterahana ny Kôngresy Eokaristika isika eto Madagasikara ka efa maro ireo fampianarana momba ny Eokaristia nentina teto amin’ity onjam-peo ity sy izay mbola entina eto, ka raiso ireny hamantarantsika bebe kokoa hatrany ny mistery fonosin’ity Eokaristia ity.

Ray aman-dreny mpamelona Andriamanitra, hoy ny foto-kevitra aroson’ny Eglizy amintsika amin’ity alahady tsotra faha-18 mandavantaona ity. Adidin’ny ray aman-dreny no mamelona ny zanany ka dia amin’ny alalan’io Mofo velona nidina avy any an-danitra io, dia tsy iza fa i Kristy, no amelomany antsika. Ilaintsika ny mofo satria sakafo mamelona ary manome aina, fa hafa kokoa izy eto noho izy avy an-danitra araka ny voalazantsika teo hoe mifono mistery lehibe izany. Io i Jesoa fonosin’ny Eokaristia izay raisintsika isan’andro na amin’ny alalan’ny Teniny na amin’ny alalan’ny Tenany. Mamelona antsika ny Eokaristia ary manome aina, ka io no ameloman’Andriamanitra antsika. I Jesoa mofon’aina no hananantsika ny fiainana ary hananantsika Azy bebe kokoa aza (jereo Jo 10, 10). Anisan’ny fahasoavana lehibe ho antsika entin’ny Eokaristia izany.

Miseho amin’ny endrika roa izany fiainana omeny antsika amin’ny alalan’ny mofo izany: voalohany ny mofo iainantsika amin’ny fiainana andavanandro izay ilain’ny vatantsika (ao amin’ny vavaky ny Raiany io ilay hoe “omeo anay anio ny haninay isan’andro”). Tsy azontsika maimaim-poana anefa izany fa tsy maintsy miasa isika vao mihinana, ary io ilay baikon’i Jesoa eto hoa miasà ianareo. Na ny hanina mety levona na ny hanina maharitra ho amin’ny fiainana mandrakizay dia mila antsika miasa avokoa mba ahazoantsika azy, saingy ny fisehon’ny asa atao no tsy mitovy. Ny mofo faharoa moa dia ny mofon’ny fiainana ho amin’ny antoky ny mandrakizay, dia tsy inona fa ny Eokaristia efa voalazantsika teo. Aoka àry isika hampitombo hatrany ny finoantsika an’io Zanak’Andriamanitra nirahiny ho sakafo mahavelona antsika sy antoky ny fiainana mandrakizay io, fa izany no asa takian’i Jesoa amintsika.

Jesoa Tompo ô! Misaotra ny Ray mandakariva izahay nanome anay anao ho Mofon’ny fiainana. Izany no banjininay ao amin’ny Eokaristia isan’andro, koa enga anie izahay hino, hazoto ary hiaina izany fa fanomezana soa sy sarobidy ho anay izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 23 desambra 2024

  • Hosokafana ny alahady 29 desambra 2024 ny Varavarana Masina ao amin'ny Katedraly Andohalo, ho fanamarihana ny fanokafana ny Taon-jobily eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo...
  • Hankalazaina ny 12 janoary 2025 ny fetin'ny Seminera Zandriny Ambohipo, izay eo ambany fiarovan'ny Fianakaviana Masina...
  • Mahaiza misaotra ny fanomezana ny fiainana, hoy ny Papa François, fa famantarana mahagaha avy amin'Andriamanitra izany...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...