31 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)
Ny misterin’ny Fanjakan’ny lanitra no ampahafantarin’i Jesoa amintsika amin’ity anio ity. Tsara ny manamarika fa iray ihany na ny fanjakan’ny lanitra na ny fanjakan’Andriamanitra. Inona àry no atao hoe fanjakan’ny lanitra? Ho an’i Masindahy Paoly, ny fanjakan’ny lanitra dia tsy ny fihinana sy ny fisotro, fa ny fahamarinana, ny fiadanana ary ny fifaliana ao amin’ny Fanahy Masina (Rm 14, 17). I Jesoa kosa indray dia tsy namaritra mazava ny atao hoe fanjakan’ny lanitra fa fanoharana momba izany fotsiny no nataony. Tahaka ny rakitra izy, hoy Izy, ary tahaka ny voahangy. Izany hoe zava-tsoa sarobidy izy. Ato amin’ny Evanjelin’i Masindahy Matio izao dia miverina in-49 ny teny hoe fanjakan’ny lanitra. Midika izany fa tena zava-dehibe tokoa ny fanjakan’ny lanitra matoa averimberin’i Jesoa matetika ao amin’ny toriteniny. Ary araka ny voalazan’i Papa Benoît XVI (Jésus de Nazareth) dia ny fanambarana ny fanjakan’ny lanitra no votoatin’ny tenin’i Jesoa sy ny asany rehetra.
Inona no dikan’izany? Dia izao: tena zava-dehibe ny fahazoana ny fanjakan’ny lanitra matoa averimberin’i Jesoa foana sy asongadiny matetika amin’ny Teniny sy ny asa ataony. Natao ho antsika tsirairay avy izy, araka ny Evanjely eto, ary ny olona rehetra no natao hiditra ao sy natao hahazo azy. Noho izany, izay olona mahita ny fanjakan’ny lanitra dia tsy maintsy mandao ny zava-drehetra mba hahazoana azy. Tsy maintsy mamoy zavatra tsy foy mba hahazoana ny zavatra tiana, dia ny zavatra tsaratsara kokoa. Izay no ambaran’i Jesoa amin’ny hoe: “nivarotra izay rehetra mety ho fananany, ary nividy azy”. Izany hoe tsy mora ny mahazo zava-tsoa fa mila finiavana sy fahafoizana. Araka ny fitenintsika hoe “ny valala aza tsy azo raha tsy handrian’ilika”, mainka fa ny fanjakan’ny lanitra. Koa na ny Soratra Masina aza dia manoro antsika ihany koa ny amin’ny fomba hahazoana azy. Hoy izy: “Raha mikaroka azy toy ny fikaroka volafotsy ianao, ka mandalina azy toy ny fihady rakitra, dia hahazo azy” Oh 2, 4. Mila karohana sy tadiavina mihitsy izy vao azo fa tsy azo mora foana ary mila hamoizana ny fananana mihitsy (Oh 4, 7). Izany hoe amidio, raha ilaina, izay rehetra anananao mba hahazoana ny Fanjakan’ny lanitra. Ilaozana ny filàn’ny nofo, dia ny filan-karena sy ny fanirian-dratsy isan-karazany. Fa izany no tsy ampy tao amin’ilay tovolahy mpanan-karena ao amin’i Matio 19, 21: tsy nahafoy ny fananam-beny izy. Noho izany, dia tsy lavorary amin’ny fanjakan’ny lanitra izy.
Koa ity ohatra omen’i Masindahy Paoly antsika ity àry no ataovy fakan-tahaka raha tsy te-ho very anjara amin’ny fanjakan’ny lanitra: “Ny fitiavako Azy no namoizako ny zavatra rehetra, ary mba hahazoako an’i Kristy, dia ataoko fako, fako foana ny zavatra rehetra” Fil 3, 8. Fandavan-tena tanteraka!