29 jolay 2024 — Masimbavy Marta — Fahatsiarovana — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 11, 19-27)

Mahatsiaro an’i Masimbavy Marta rahavavin’i Maria sy anabavin’i Lazara isika amin’ity anio ity. Ny fahafatesan’i Lazara sy ny momba ny fitsanganana amin’ny maty no hifampiresahan’i Jesoa sy i Marta eto. Mino an’i Jesoa i Marta; kanefa toa miato eo an-tokonan’ny vavaka tsy azo tanterahina izy momba ny fananganana an’i Lazara. Satria hoy izy: “Na dia izao aza, dia fantatro fa na inona na inona hangatahinao amin’Andriamanitra, dia homen’Andriamanitra Anao”; nefa hoy indray izy avy eo hoe: Amin’ny farandro vao hitsangana ny anadahiny. Ny vavaka rehetra anefa dia azo tanterahina avokoa rehefa manam-pinoana isika. Tsapan’i Jesoa araka izany fa mbola tsy feno ny finoan’i Marta.

Izay indrindra no hitondran’i Jesoa fampianarana momba ny fitsanganan-ko velona eto. Ho an’ny Jody mantsy dia tsy misy fitsanganan-ko velona raha tsy amin’ny farandro irery ihany. Ka io finoan’ny Jody voalaza ao amin’ny Dn 12, 2 io ihany koa no mbola namafisin’i Marta eto: “Maro amin’ireo mandry ao amin’ny vovon-tany no hifoha”. I Jesoa kosa manitsy izany fisainana izany satria ny fitsanganan-ko velona dia efa tanteraka miaraka Aminy fa tsy amin’ny farandro ihany akory. Izay no hilazàny an’i Marta eto fa ny tenany mihitsy no fananganan-ko velona ka izay mino Azy dia tsy ho faty na oviana na oviana. Efa nilaza an’io moa i Jesoa ao amin’i Jo 8, 51 fa: “Izay mitandrina ny teniko, hoy Izy, dia tsy hahita fahafatesana mandrakizay”. Efa nambarany ihany koa fa mifototra amin’ny finoana an’Andriamanitra “izay tsy Andriamanitry ny maty, fa an’ny velona” (Mk 12, 27) ny finoana ny fitsanganan-ko velona. Ka i Jesoa tenany mihitsy no hanangana an’izay mino Azy sy izay nihinana ny nofony sy nisotro ny ràny; izany hoe ireo izay nandray kômonio tamim-pahamendrehana, amin’ny farandro. Hoy Izy: “Avy sady efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona” Jo 5, 25// Jo 5, 28-29// Jo 6, 40. Ary “Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro” Jo 6, 55. Koa na Izy tenany aza dia hitsangana toy izany koa rehefa afaka hateloana (Jo 2, 19-22// Mk 10, 34). Mazava araka izany fa i Kristy irery ihany no làlana amin’ny fahavelomana mandrakizay. Inona àry no fepetra takian’i Kristy amintsika? Voalohany, ny finoana Azy. Averin’i Jesoa in-telo mihitsy eto ny teny hoe “mino Ahy”; izay hilazany fa ny finoana Azy no mahavelona. “Mino aho, hoy i Marta, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Ka ity fiekem-pinoan’i Marta ity no nanamarinana azy. Faharoa, ny fandraisana Azy tahaka ny nataon’i Marta teo, mandray Azy ao an-trano amin’ny vavaka (atao tsara), indrindra ao am-po amin’ny Eokaristia (raisina am-pahamendrehana). Noho izany, ny finoan’i Marta sy ny fahaizany nandray an’Andriamanitra ao aminy no nankasitrahan’i Jesoa azy; ka izany no nanalàny alahelo azy sy nananganany ho velona an’i Lazara anadahiny.

Koa aoka àry isika ho vontom-pinoana toa an’i Marta sy hazoto hampiantrano an’Andriamanitra ao amintsika; fa ny olona manam-pinoana, mino an’i Kristy sy miaraka Aminy no tsinjoviny manokana amin’ny fahoriana mihatra aminy ary homeny ny fiainana mandrakizy miaraka Aminy.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...