27 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)

Ity fanoharana momba ny fanjakan’Andriamanitra, nambaran’i Masindahy Matio teo ity dia maneho sahady izay hiseho amin’ny farandro, rahefa ho avy hitsara amim-boninahitra ny Zanak’olona, ka hanavaka ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy. Mampitodika antsika sahady any amin’ny fataperan’izao tontolo izao. Henontsika tamin’ny Evanjely teo ilay lehilahy namafy voa tsara tamin’ny taniny, io voalaza io dia tsy iza fa i Jesoa, nirahin’ny Ray hanorina ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, hitarika sy hampianatra ny olona rehetra ho amin’ny fahamarinana ary nanatanteraka ny asan’ny Ray teo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona. Izy ilay namafy ny voa tsara ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra, hiainantsika sahady ny fiombonam-piainana amin’Andriamanitra, ka hitafiantsika ireo hatsaram-panahy maro maneho ny maha zanaky ny fanjakan’Andriamanitra antsika.

Ny zava-nisy nambaran’ny Evanjely tamintsika teo anefa dia hoe: manao ny asany koa ny Ratsy. Namafy ahi-dratsy tamin’ny tany izy ary mitarika ny olona ho amin’izany. Ka ireo miaina sy manao ny tsy marina sy mitarika ny hafa ho amin’ny haratsiana no zanaky ny fahaverezana, miaraka aminy. Etsy andaniny, dia niara-naniry teo amin’ny tany, niara-nitoetra ny voa tsara sy ny ahi-drasty, ny zanaky ny fanjakan’Andriamanitra sy ny zanaky ny fahaverezana. Sarotra sarahina sy ho havahana satria miara-mizotra amin’ny lalana tokana, dia ny lalan’ny fiainana izany. Fa ao anatin’izany indrindra no ilana fibebahana, hanoherana ny rasty.

Tsarovy fa tsy nisy na oviana na oviana ka hoe: voasokajy am-boalohany ho ratsy na ho tsara isika olombelona eo anatrehan’Andriamanitra. Tsy nisy nateraka ho ratsy na ho tsara isika. Fa miankina amintsika kosa ny zavatra rehetra. Anjarantsika ny misafidy. Fantatr’Andriamanitra ny momba antsika, ny maha olombelona antsika, fantany fa miaina ao anatin’ny fifandroritan’ny tsara sy ny ratsy isika, fantany ny ady atrehintsika isan’andro, miainga avy ao anatintsika ao. Ny fisian’ny ratsy miara-maniry amin’ny tsara, nandraran’i Jesoa hoe: avelao izy haniry ambaram-piavin’ny fijijana, dia manampy antsika hibebaka, handresy ny ratsy, tsy ao amintsika ihany fa ny ratsy hitantsika amin’ny hafa, eny anivon’ny fiaraha-monina, manampy antsika hiara-mientana hanova ny fiainana ho araka an’Andriamanitra.

Sarobidy ny fotoana omen’Andriamanitra antsika, fotoana natao hiadiana, fotoana natao hiverenana amin’Andriamanitra, aoka tsy hatahotra na ho kivy mahita ny tsy mety, ny tsy rariny… isika fa hatoky an’Andriamanitra mandrakariva ka hibanjina ny farany, fa natao handova an’Andriamanitra isika, ka hamokatra voa tsara mandrakariva.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...