25 jolay 2024 — Masindahy Jakôba, Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 20-28)

Tsy zavatra tolorana, tsy ilana ezaka, ny mitoetra mandrakizay eo anilan’Andriamanitra, raha dinihintsika tsara ny valitenin’i Jesoa araka fangatahan’ny renin’i Masindahy Jakoba teo. Fa ezaka isan’andro sy fihavaozana mitohy ary ilana faharetana sy fahafoizana ary toetra mendrika mandrakariva. Tsy araka ny fombantsika olombelona ny fomban’Andriamanitra ary tsy isika koa no hitsara ny tenantsika fa eo Izy Mpitsara marina sy mahalala ny fo sy ny voa. Rentsika tamin’ny Evanjely teo ireo takiana amintsika sy ny tokony hataontsika hahatanteraka sy handraisantsika ilay toerana omaniny ho antsika. Fa tsy maintsy atao batemy aloha isika, atsangana ho zanak’Andriamanitra, handova ny fiainana mandrakizay ary tsy maintsy koa maka tahaka an’i Kristy, lahimatoa amin’ny Zanak’Andriamanitra. Manaiky hijaly sy ho faty, toa Azy, mba hiara-mandresy Aminy. Izay nizoran’i Kristy no arahintsika mpanara-dia Azy raha te ho tafita eo anilany mandrakizay isika. Mampandinika antsika io valitenin’i Kristy io amin’ny fiainantsika ny Batemy, fa sao maika te ho isan’ny mpandova an’Andriamanitra fotsiny isika fa tsy mpikatsaka akory. Maro no takian’io Batemy io ho antsika ka tsy tokony atao ambanin-javatra. Aza fatra-panaiky te hahazo fotsiny fa miezaha haka tahaka an’i Kristy, ilay mitarika antsika rehetra ho ao amin’Andriamanitra.

Faharoa mila iainana, nambaran’i Kristy tamin’ny mpianany teo ny toe-tsaina manompo. Hafa noho ny an’izao tontolo izao no ampianariny mba hiainantsika ny tena fitiavana, dia ny hoe: “ny lehibe no mpanompon’ny rehetra”. Kristy no tahafin’izay mipetraka ho lehibe ao amin’ny Eglizy. Ny andraikitra noho izany, dia tsy voninahitra fa fanompoana. Ary ny mpanompo mahatoky, dia tsy mivadika amin’izay nanankinana azy. I Masindahy Jakoba, Apôstôly, ankalazain’ny Eglizy anio dia niaina io toe-panahy io. Niaina ny fanetren-tena natoron’i Kristy izy ary nahafoy ny ainy, maty martiry, mba hampamokatra ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly. Angataho ny vavaka ataony mba hanamafy ny finoana sy fanantenana ary ny fitiavantsika, eto anivon’ity tany miovaova ity mba tsy hisarahantsika amin’Andriamanitra ary hahatafita antsika rehetra any amin’ny fiainana mandrakizay.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...