23 jolay 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 46-50)

Mety ho fanafintohinana ho antsika ity nataon’i Kristy voalazan’i Masindahy Matio ity, raha raisina amin’ny maha olombelona fotsiny ihany. Satria eo anatrehan’ireo vahoaka mihaino Azy indrindra Izy no tadiavin’ny Reniny sy ny rahalahiny. Kanefa dia sahy manambara fa ireo manodidina Azy indray no reniny sy rahalahiny. Tsy sanatria hanao tsinontsinona an’ireo havany i Kristy manambara izany fa mampahafantatra kosa an’ireto mihaino Azy ny antony nakany nofo sy tonga olombelona toa antsika. Dia ny hampifandray antsika amin’ny Rainy sy hahatonga antsika ho mpiray tampo ao Aminy. Tontolo hafa ary ambony lavitra mihoatra ny lalana ara-biolojika io itondrany antsika olombelona io, mpiombona anjara amin’ny fianakavin’Andriamanitra ary miray aina tanteraka Aminy.

Iza àry ireo ambaran’i Kristy fa reniny sy rahalahiny eto? Tsy iza fa ireo manodidina Azy, ireo tonga eo anatrehany ary mirafitra ho rantsam-batany. Asehontsika izany isaky ny mivavaka isika, isaky ny tonga any am-piangonana, mivory amin’ny anarany ary indrindra rahefa miray aina Aminy amin’ny alalan’ireo Sakramenta sy toe-piainana mampiavaka antsika manara-dia Azy. Tsy izany ihany anefa fa eo koa ny fanaovana ny sitra-pon’ny Ray, izay ambaran’i Kristy fa “Sakafo ivelomany”, fa iveloman’ireo havany koa. Mampiharihary ny fifandraisana misy eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fahaiza-mankatoa sy manaja. Nasehon’i Kristy antsika izany mba hijoroantsika ho zanaka malalan’ny Ray toa Azy isika, fa indrindra koa mba hikatsahantsika fiombonam-piainana tanteraka ao Aminy.

Tsy anarana isalorana araka izany ny maha reny sy maha rahalahin’i Kristy fa fiainana iainana sy asa tanterahina isan’andro. Koa aoka ho mendrika ny maha zanak’Andriamanitra antsika isika, hijoro ho fanasina sy ho fahazavana ho an’izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...