14 jolay 2024 — Alahady Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Ataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 7-13)

Aroso antsika ny foto-kevitra amin’izao alahady tsotra faha-15 mandavan-taona B izao, manao hoe: “Nofidin’Andriamanitra isika mba hirahiny.” Hita miharihary izany amin’ity Evanjely ity izay maneho ny dingana arahina amin’ny fiantsoan’Andriamanitra, indrindra amin’ny fiantsoana manokana, toy ny hita eto, voafidy tanatin’ny maro. Iraka manokana ny azy ireo fa isika ihany koa manana antso noho ny Batemy noraisintsika, ary io Batemy io maniraka antsika handeha fa tsy hipetrapetra-potsiny amin’izao. Tsy mety loatra araka izany ny hoe: “Kristianina tsotra fotsiny” fa tsara kokoa ny hoe: “kristianina mandray andraikitra”.

Toy izao ireo dingana arahina amin’izany antso izany: Voalohany, miantso Izy Andriamanitra ary mamaly isika. Antsom-pitiavana ny Azy, isika kosa mandray ny antsony fa tsy misolantsolana na misososo hanatona Azy, satria antsoiny izay tiany. Eto izao izy roa ambin’ny folo lahy, Apôstôly. Misy antsony koa miantefa amintsika tsirairay ka mba henontsika sy valiantsika ve izany? Fa rehefa maneno ihany koa ny lakolosy, indrindra amin’ny andro alahady any am-piangonana, dia maneho Azy Andriamanitra miantso ny zanany rehetra, ka mba manohina ny antsony ve isika, sa manetsi-tadìny. Manaraka izany, antsoiny hankeo aminy isika, matetika hadino io fa maika ny handeha isika. Fototra iaingan’ny antso anefa ny mankeo aminy. Tompon’ny antso Izy ka miainga eo aminy ny zavatra rehetra. Koa mankanesa àry alohan’ny zavatra rehetra eo aminy. Avy eo vao irahina nefa tsy mandeha irery, eto izao lazain’i Jesoa ho tsiroaroa ka araka izany ifampizarana ny andraikitra fa tsy miolonolona, tsy miasa irery satria raha lavo misy mpanarina, “mpirahalahy miditra ala ka izy tokiko ary izaho arony”, mifampatoky. Iraka avy amin’i Jesoa no atao fa tsy izay saim-patatsika, ka aoka tsy hizahozaho na hisekoseko mamita izany iraka izany. Tsy hanasongadina ny tena fa ho voninahitr’Ilay naniraka hatrany amin’izay atao rehetra. Tsy tompon’ny iraka mantsy isika fa mpamerin-doha.

Fahefana omena fa tsy rombahina, tsy misy seza iadiana ka ifikirana mafy, mitady ny fomba rehetra hahazoana azy. Fahefana avy amin’Andriamanitra fa tsy avy amin’ny olon-tokana na vahoaka. Ka rehefa mahazo fahefana dia tsy hibodo toerana, tsy hanjakazaka, tsy hanao kely tsy mba mamindro, tsy hiolonolona fa handroaka fanahy maloto. Fahefana tsy hokobonina ho an’ny tena samirery fa fahefana hanasoavana ny hafa, fa tsy sanatria hanamavoana azy ireny. Hanala ny hafa amin’ny geja mamatotra azy fa tsy sanatria hanampy trotraka azy tsy akory. Mamita iraka ankalalahana tanteraka, tsy voafatopatotra, tsy miankin-doha amin’izatsy sy izaroa, tsy voasembatsembana. Tsy malaky miova ihany koa fa maharitra. Nandeha izy ireo fa tsy hoe nijanona fotsiny teo rehefa voairaka. Tsy nidongy koa izany.

Mazava ny votoatin’ny iraka atao: tsy maintsy mibebaka ny olona, mandroaka demony, manosotra diloilo ny marary sy manasitrana azy. Tandremo àry sao zavatra hafa indray no mahamaika fa tsy izany. Aza mivily lalana amin’izay nanirahana. I Koto na i Kala faniraka koa izay vita Batemy.

Fa ankoatra izany, mitondra am-bavaka ny Diosezin’i Maintirano isika mianakavy amin’ity andro ity izay hanamasinana ny Evekany sy hametrahana azy eo amin’ny toerany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 ôktôbra 2024

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...