Alahady 08 desambra 2019 - Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 3, 1-12.
Atolotra antsika amin'ity alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo - Taona A ity, ny lohahevitra hoe "Mibebaha fa akaiky ny Mesia". Ambaran'ny Evanjely amintsika izao ny toriteny namabran'i Joany tany an'efitra.

0 : 00

Nitory teny tany an'efitr'i Jodea i Joany Batista rehefa niseho ampahibemaso. Toritenim-pibebahana no toriteny nataony tamin'izany, izahy hoe mitaona ny olona hibebaka. Koa amin'izao alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo izao, miteny amintsika koa izy, milaza amintsika mazava hoe: "mibebaha ianareo, efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra." Izy ilay feo, fa ny Teny mbola any aoriana, dia i Jesoa Kristy izany. I Joany no toa tehina mialoha andriana, kintana mialoha johary, ka manana ny anajra toerany.

Koa amin'izany, fantaro ny ato hoe mibebaka. Atao hoe mimebaka ny miala amin'ny làlan-diso mahazatra fa mivadika amin'ny tsara, sy mitady ny tsaratsara kokoa hatrany. Miezaka tsy miverin-dàlana intsony. Inona no takiana amin'izany? Manamboatra ny làlan'ny Tompo fa ho avy Izy. Ka tsy amboarina atao vonjy maika na vonjy tavan'andro, tampitampenana fotsiny ihany fa manarina ifotony ny làlan-kaleha.

Raha azo atao àry,

  • izay mikitaontaona na mibontsimbontsina, avo nohon'ny fiavonavonana, ny fireharehana, ny fanambonian-tena, ny fizahozahoana: tsy maintsy ahetry;
  • ireo miolakolaky ny fandaingana, ny fiafinafenana: ahitsy, hamarinina;
  • ireo lavadavaky ny halainana, ny hakamoana, ny tsy fahampiana, ireo mpanao tsidi-pahitra manao filan-draha tsy mahita: totofana, hatevenina;
  • ireo simba arafesin'ny ela sy ny ela, ireo tontan'ny andro sy ny alina satria tsy nampiasaina na natao vonjy poritra: tsy maintsy havaozina.

Tsy isaky ny hisy handalo vao hatao izany, fa na amin'ny fotoanany na tsia. Isan'ny fotoana tsara hanarenana izany izao Fiavian'ny Tompo izao. Raha tsorina dia ny fontsika no làlana tadiavin'Izy Tompo ka tsy maintsy amboarina. Azo atao tsara na ny an'ny tsirairay, na ny miaraka. Tsarovy ny fanentanan'i Joany Batista hoe: "eo am-poto-kazo sahady ny famaky. Efa akaiky ny Fanjakan'ny lanitra". Izany akory tsy midika hoe rahampitso na rahafaka ampitso fa ny fiomanana no tena zava-dehibe. Izay vonona tsy ho voatamoka velively. Fa izay manjehy ny andro ho lava, izay manao ny danin'ny kibo mampanara-po ny flàny no voa mafy indrindra.

Koa mahaiza mitsinjo ny vody andro ho merika, aoka ho vonona ka hibebaka. Ankoatra izay, inona koa no hatao? Nirohotra nankany amin'i Joany ny olona, ka natao batemy. Batemim-pibebahana, fa ny an'i Jesoa no batemy amin'ny Fanahy Masina sy ny afo. Ilaina ny mihaiky fahotana, ny marina tsy iandrasana fotoana, fa na amin'ny foana na tsia, azo atao foana izany. Fa izao no fotana mety amin'izany, tsy iandrasana ela intsony. Tsy ampy ny mihaiky fahotana, fa ilaina ny mamboraka izany amin'ny pretra mba hahazo famelàna. Farany, ataovy amim-panetrentena, toy ny nataon'i Joany mba ho afaka mibebaka marika, koa banjino sy tanteraho ny fanetrentena nataon'i Joany fa fakan-tahaka ho antsika izy. Amen

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...