20 jona 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Ry kristianina havana; vavaka nampianarin’ny Tompo no ambaran’ny Evanjely amintsika. Ampianarin’i Jesoa ny toe-panahy enti-mivavaka sy ny vavaka atao. Mampihatra sisa izany no ataontsika; ary matoky isika satria i Jesoa mahalala ny ankasitrahan’ny Ray mihitsy no mampianatra. Efa nanafatra i Jesoa mba hivavaka mangina sy mitokana, mihidy aman-trano aza rehefa mivavaka fa tsy filan-dera hoe izaho masina sy tia vavaka. Izay no toe-panahy voalohany. Toe-panahy faharoa: aza maro teny, aza lava resaka, hoy i Jesoa. Izao tokoa manko e: Ray tia zanaka Anrdiamanitra, mahalala izay mety amintsika izy; ka ny valim-bavaka andrandraina tsy miankina amintsika mahay miteny sy lava resaka sy mahay mandahatra. Valina vavaka isika satria tia antsika Andriamanitra.

Antitranterin’i Jesoa manokana kosa ny fahaizana mamela heloka. Teo-panahy lehibe koa izany. Rehefa mangataka famelan-keloka dia tsy maintsy mamela heloka. Tsy hoe mametraka izany ho fepetra ny Tompo, ary tsy isika koa no hanome lesona na hanome ohatra na hanao fepetra an’Andriamanitra. Tia ary mamela heloka tsy misy fepetra ny Ray. Fa tia tena loatra isika raha mangataka famelan-keloka amin’ny ota vitantsika kanefa tsy hamela izay diso tamintsika. Ny fanjakan’Andriamanitra dia fanjakan’ny famelan-keloka. Izany no famonjena. Manaraka ho azy ny antsika olombelona rehefa lohalaharana Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...