Talata 31 marsa 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 21-30 — Ny tenin'Andriamanitra dia voa afafy, i Kristy no mpamafy ; izay rehetra mahita Azy dia honina ao aminy mandrakizay.

0 : 00

Maro ny fampianarana sy fahagagana nataon’i Jesoa tamin’ireo karazana olona maro nifanerasera taminy, anisan’izany ireto olona manolona Azy ireto (Farisianina sy Jody). Fa, mialohan’ny handehanany dia miteny Izy hoe : “handeha Aho ka hitady Ahy ianareo, ary ho faty amin’ny fahotanareo ; ary izay alehako tsy azonareo aleha”. Ny antony dia satria tsy nino sy tsy nety nibebaka ireo. Ka tian’i Jesoa hotonga saina hoe rehefa tsy hino sy tsy hibebaka ianareo dia tsy hotonga any an-danitra, izay lalana ho alehako. Fantatr’i Jesoa mantsy ny fiainan’ireo, ka izany aza no mahatonga Azy miteny hoe : “manana zavatra hilazana sy hitsarana anareo Aho”.

Maneho amintsika mianakavy izay fa fantatr’i Jesoa amin’ny antsipirihiny ny fiainantsika ary manan-kolazaina ny amintsika Izy satria fantany hatramin’ny miafina indrindra aza. Koa, manolona ny fahotana vitantsika, hadalantsika kanefa tsy hibebahantsika dia tanteraka amintsika io Teniny io hoe : “izay alehako, tsy azonareo aleha”. Samia àry tonga saina amin’ny mety ho tsy fahamendreha dia mibebaha. Ny olana indraindray mandray komonio ihany nefa tsy mibebaka mihitsy. Efa komonio sakrilezy izany.

Fa, manoloana izay fampianaran’i Jesoa izay dia lasa velom-panontaniana ireo hoe “iza moa Ianao ?”. Dia niverina nampianatra an’ireo Izy ary maro no nino. Mampianatra antsika mianakavy izay eto hoe rehefa misy tsy mazava mahakasika ny finoana, dia aleo manontany. ary aza malain-kino izay ampianarina sy efa voalazan’ny Soratra Masina. Ary ho antsika mpampita ny finoana, aza sasatra ny manazava ny misterin’ny finoantsika tahaka ny nataon’i Jesoa.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...