9 jona 2024 — Alahady Tsotra fahafolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-35)

Ny Vaovao Mahafaly androany atolotr’i Masindahy Marka dia maneho an’i Jesoa Kristy eo anivon’ny olona maro mifamezivezy mitady azy, mirohotra mitady azy tokoa ny vahoaka, toy ny olona natao fahirano mihitsy izy ka tsy mba nahita fotoana hisakafoana akory, ireo havan’i Jesoa tonga avy any Nazareta aza moa dia nitady haka azy an-keriny teo anivon’ny vahoaka noho ny fiheveran’izy ireo azy hoe efa lasa adala, fa ireo mpahay lalàna kosa tsy nisalasala niampanga azy ho nidiran’ny demony sy hoe nahazo fahefana avy amin’ny filohan’ny demony.

Inona loatra no antony nahatonga ireto vahoaka be ireto hitangorona aminy, olona manana toetra miavaka no fahafantaran’izy ireo azy, liana izy ireo ny hahalala ny marina momba azy. Isika koa dia liana ny hahalala zavatra maro momba an’i Kristy kanefa dia mbola sombintsombiny sy feno zava-miafina ho antsika ihany ny fiainany, olombelona izy sady Andriamanitra akaiky antsika nefa lavitra antsika koa. Mpitsara nefa havana ihany koa.

Araka ny ampahan’ny Vaovao Mahafaly hatolotra antsika androany dia ao an-trano anankiray ao Galilea i Jesoa, tafavory manodidina azy ny olona maro izay efa nandre ny fampianarany sy nahita ny fanasitranany marary samihafa, tafavory manatona an’i Jesoa ny sokajin’olona isan-tokony ka anisa’izany ireo mpianany vao nofidiany ary manaraka azy foana. Ny vahoaka tonga maro be any amin’ny tanàna sy ny faritra samihafa eran’i Galilea, ny vondron’ny mpahay lalàna tonga avy lavitra nidina avy any Jerosalema ary ny havany, izany hoe ny lafim-pianakavian’i Jesoa avy amin’i Masina Maria sy i Masindahy Josefa.

Araka ny voalazan’ireo mpandalina ny Baiboly, ny hoe rahalahin’i Jesoa dia fomba fiteny mahazatra nanondroany olona tamin’izany andro izany ny lafim-pianakaviana amin’ny ankapobeny. Izany fomba famaritana izany dia mahafaoka ny zanak’olo-mirahalahy, ny zanak’olom-pianadahy, ny mpirahavavy sy ny sisa, tsy dia tsara loatra ny zavatra hita tamin’izay fivoriana izay, ny hany mba zavatra tsara tamin’izay dia ny fivorian’ireo mpianatra nipetraka manodidina ny Tompo sy nihaino azy. Tsara asongadina eto fa ny fihainoana an’i Jesoa dia fanekena ny teniny ho an’ny fo amam-panahy sy fanekena handray fanovana avy aminy mba ho afa-miaina toa azy koa.

Ny havan’i Jesoa avy any Nazareta kosa dia tonga haka azy hiala tao amin’ny vahoaka satria noheverin’izy ireo fa hoe lasa adala izy. Ireo mpahay lalàna aza araka ny efa voalaza tetsy aloha dia sahy naneho zava-dratsy lavitra noho izany tamin’ny filazana hoe i Belzeboba no ao aminy ary fahefana avy amin’ny filohan’ny demony no androahany ny demony. Tsy maintsy ampahafantarina antsika fa ny olona tamin’ny andron’i Jesoa tety an-tany dia manana fijery hafahafa ihany momba ny aretina samihafa, tsy mbola tao amin’ny fisainan’izy ireo ny famaritantsika ankehitriny ny aretina ho vokatry ny fisian’ireo otrikaretina mamely ny vatana na avy amin’ny faharatsian’ny taova.

Noheverin’ny olona tamin’izany fa avy amin’ny demony ny aretina samihafa, noho izany koa no mahatonga ireo mpahay lalàna hilaza fa tsy maintsy misy kopaka hisasahana, tsy maintsy misy fifanarahana sy fifanekena mangina ao matoa i Jesoa mahasitrana marary. Azontsika an’eritreritra amin’izany ary fa tena sarotra ho an’ireo manodidina an’i Jesoa ny hahatakatra ny momba azy marina, samy manombana azy araka izay saim-pantany ny tsirairay, araka ny tombotsoany manokana mihitsy aza angamba.

Ireto no reniko sy rahalahiko fa na iza na iza manao ny sitrapon’Andriamanitra dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko. Amin’ny alalan’izany valin-tenin’i Jesoa ho an’ny havany izany no hanazavan’i Jesoa amintsika tsirairay koa ny zava-dehibe kokoa tokony hifantohana eny am-pitetezantsika ny lalam-pinoantsika. Tsy ilaina ny fanomezan-danja tafahoatra ny rohim-pihavanana voajanahary na ny fihavanana avy amin’ny rà iraisana, ny zava-dehibe manan-danja dia ny fihavanana ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny alalan’io fihavanana io no mahatonga antsika ho zanaky ny Ray any an-danitra sy ho mpihavana ao amin’i Kristy ary ho mpiray tampo, ny rohim-pihavanana marina dia tsy hafa fa fandraisana ny sitrapon’Andriamanitra, fanekena ny fikasana momba ny olombelona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...