Alahady 29 marsa 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 11, 1-45 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo, ka tsy ho faty mandrakizay izy mino Ahy.
Ry kristianina Havana, eo amin’ny andavan’androm-piainantsika, manoloana ny fahafatesan’ny olona iray, dia tsy manan-kambara isika afa-tsy ny hoe mifampitsapa alahelo, mifamangy ary mikarakara izay fomba handevenanan ny razana, tahaka ny ataon’ireto fianakavian’i Lazara sy ireo fianakaviana manodidina azy. Rehefa maty mantsy ny olona, tsy maintsy alevina satria tsy mbola nisy olona nahavita nanangana amin’ny maty.
Eto anefa, vitan’i Jesoa ny nanangana an’i Lazara amin’ny maty na dia efa hefarana aza tao am-pasana ary efa maimbo hoy i Marta anabaviny. Maneho miharihary amintsika mianakavy izany eto fa mihoatra noho ny fetrantsika olombelona i Jesoa. Inona àry ny hevitr’io fihetsik’i Jesoa io eto ? Io no maneho fa Andriamanitra Izy ary ny tompon’ny aina dia Andriamanitra irery ihany. Ka nataony io mba hinoan’ny olona Azy fa sady olombelona tokoa Izy no Andriamanitra, olombelona satria fihetsik’olombelona no mitomany rehefa misy maty ary Andriamanitra satria Andriamanitra ihany no afaka manangana amin’ny maty.
Ry Kristianina Havana, ity fahafatesan’i Lazara ity ihany koa dia tandindon’ny fahafatesantsika ara-panahy. Ka i Lazara ankehitriny dia isika olombelona izay tsy mety mibebaka miverina amin’Andriamanitra, ny mamono feon’ny fieritreretana na dia efa rotiky ny fahotana sy ny tsy fahamendrehana amin’ny maha-kristianina aza. Fahafatesana ara-panahy izany, ka i Jesoa irery ihany no afaka manala antsika amin’izany amin’ny alalan’ny fandraisantsika ny Sakramentan’ny fivalozana. Izany hoe, vitan’i Jesoa ny mamerina ny fiainantsika amin’ny laoniny rehefa manaiky handray Azy, mino Azy ary indrindra indrindra mibebaka isika. Rehefa miverina isika dia handre teny tahaka ilay zaza mpandany hoe : very ka hita indray ary maty ka velona indray. Sahia àry miala amin’ny fahazaran-dratsy.