14 mey 2024 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

Mankalaza an’i Masindahy Matiasy, Apôstôly, ny Fiangonana amin’ity anio ity. Apôstôly nanolo ny toeran’i Jodasy izy ; satria roa ambin'ny folo ny Apôstôly nofidian’i Jesoa, saingy nivadika i Jodasy ka namono tena. Noho izany, dia tsy maintsy soloina izy haharoa ambin'ny folo ny isa tsy azo bangaina amin’ny Apôstôly izay nanorenan’i Jesoa ny Fiangonana. Ka vokatry ny loka natao dia i Matiasy no lany. Nahazo ny loka i Matiasy. Fa maninona tokoa moa no loka, no nisafidianana azy ? Izany ve tsy resaka kisendrasendra ? Fa hoy i Jesoa mamaly izany ato amin’ny Evanjely teo : “Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo”. Izany hoe nofidian’Andriamanitra avokoa isika matoa manao ny raharahany. Fa tsy isika akory no lafatra sy tsara sitrapo indrindra. Izay no hilazan’i Masindahy Paoly hoe : “Jereo ianareo voaantso fa tsy firy no hendry, tsy firy no mahery, tsy firy no avo razana” (1 Kôr 1, 26). Midika izany fa tsy misy kisendrasendra ao amin’Andriamanitra fa sitrapony matoa tanteraka. Manamarina izany ny vavak’i Piera ao amin’ny Asa 1, 24 nifidianana an’i Matiasy : “Tompo ô, Ianao no mahalala ny fon’ny olona rehetra, ka asehoy izay voafidinao amin’izy roa lahy ireto”. Izany hoe fomba atao hanehoana ny fifidianana tsy miangatra ny loka. Fa raha ny tena izy dia Andriamanitra no misafidy ao anatin’izany.

Ka i Jesoa rehefa misafidy dia manome antoka ho an’izay nofidiny fa tsy mamela ho irery akory. Inona avy àry izany antoka izany ? Voalohany, dia manendry Izy mba handehanana. Ka ny dikan’ny teny hoe “manendry” eto dia manorina, manamafy. Midika izany fa manamafy ny tenantsika, manamafy ny saintsika, manamafy ny finoantsika Izy Andriamanitra rehefa handeha hitory Azy isika. Ka io nataon’i Jesoa io no natao fomba fiasa ao amin’ny Fiangonana : tendrena aloha ny olona iray vao mandeha. Araka izany, dia efa lamin’Andriamanitra mihitsy ny rafitra an-tanatohatra ; satria i Kristy mihitsy no miteny azy eto. Olona efa voahomana, azo antoka no hirahina. Faharoa, omeny toky fa hahomby : “hahavokaranareo”, hoy Izy. Tsy misy fatiantoka ao amin’Andriamanitra. Izany no tsy tokony hampihemotra satria ny fahombiazana dia tsy misaraka amin’ny iraka hampanaovin’i Kristy. Fahatelo, fahombiazana maharitra no omeny. Ny zavatr’izao tontolo izao no mandalo sy mora levona fa ny fiainana ao amin’Andriamanitra irery ihany no maharitra. Farany, omeny izay ilaina rehefa mangataka. Dia hoy i Jesoa : “Sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo”. Tsy ataony mosarena amin’ny zavatra ilainy ny mpanompony mahatoky Azy. Ny miaraka amin’Andriamanitra rahateo tsy very mandeha.

Inona àry ny fepetra ilaina ? Ny fepetra tsy afa-misaraka amin’izany rehetra izany dia ny fifankatiavana. Tsy tafita ny hafatr’Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’ny ohatra velona izay haseho amin’ny fifankatiavana. Ka ny fifankatiavana no endrika tian’Andriamanitra hitoriantsika Azy. Samy nofidian’Andriamanitra àry isika, koa aoka hiezaka hifankatia sao lasan’ny olona ny anjarantsika ao amin’ny Fiangonana. Fa Andriamanitra tsy mila olona tia tena toa an’i Jodasy, fa olona tsotra toa an’i Matiasy no ilainy.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...