9 mey 2024 — I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Fankalazana manetriketrika — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-20)

40 andro aorian’ny fankalazana ny Paka isika anio, mankalaza an’i Jesoa niakatra any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan’ny Ray. I Jesoa mandray indray ny voninahitra sy ny haja ary ny fahefana maha Andriamanitra Azy; fa hampandray anjara sy hizara amintsika ihany koa izay noraisiny sy niainany: dia ny fiainan’Andriamanitra ao aminy. Noho ny nitsanganany ho velona sy ny niakarany any an-danitra, dia afaka mandinika sy mibanjina ny lalan-kizorana sy ny ho avy isika, afaka hiandrandra ny lanitra. Ny lanitra izay voatokana ho antsika olombelona mba hanomezantsika voninahitra sy dera an’Andriamanitra Mpahary sy Mpitantana ary fototry ny tena fiainana sy fahasambarana ho antsika olombelona.
Niakatra any an-danitra i Jesoa, tsy hoe: mandao antsika Izy fa hanomana ny toerana ho antsika. Mpandova an’Andriamanitra isika, nataony hiombona anjara Aminy. noho izany indrindra no tsy maintsy hikatsahantsika izay manampy antsika ho tafita any. Ny fiainam-bavaka sy ny fihantrana, ny asa fitiava-namana indrindra no izoran’ny kristianina ny lalana mankany amin’Andriamanitra (Lanitra) ary ao anatin’ny fanetren-tena sy finoana lalim-paka, toy niainan’ireo olomasina efa samabtra mibanjina an’Andriamanitra, no hiainana izany, mba ho i Kristy, mitarika antsika rehetra mankany no tahafintsika miainga eto an-tany mizotra mankany an’danitra.

I Jesoa niakatra any an-danitra àry dia tsy inona fa taratry ny fialantsika eto an-tany hiampita any amin’ny fiainana mandrakizay. Fanantenana sy hery lehibe ho antsika izany, ary tanjon’ny fisiantsika sy ny fiainantsika, koa aoka tsy ho variana hibanjina ny lanitra, fa hiasa hitory ny Vaovao Mahafaly, sahala amin’ireo mpianatra, ka hijoro ho mpikatsaka ny fiainana ao amin’Andriamanitra.

Jesoa ô, ankaherezo ny fonay tsy hifikitra amin’ny zava-mandalo, satria ny nakanao nofo toa anay dia ny hahatonga anay ho zanaka malala, handova ny fiainana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...