4 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 18-21)

Asehon’i Jesoa amin’ity Evanjely ity ny fifandraisany amintsika satria miantefa any aminy izay mahazo antsika: ny fankahalana atao amintsika manjary mahakasika Azy koa. Tsy mahagaga raha halan’izao tontolo izao isika satria “tsy olon’izao tontolo izao”, hoy i Jesoa. Izay vita Batemy mantsy tonga olom-baovao tokoa ao amin’Izy Kristy ka tsy mijanona ho taranak’i Adama fotsiny fa lasa zanak’Andriamanitra mihitsy. Hany ka tsy mifotetaka amin’ny tany fotsiny intsony fa efa nasandratra ho ambony, lasa isam-pianakavian’Andriamanitra. Ka ny fankahalana sy ny fialonana tamin’ny taranak’i Adama, miaina sy mangeja ary mamatotra izao tontolo izao, lasa vonto fitiavana sy indra fo avy amin’Izy Kristy Mpanafaka. Toa manelingelina izao tontolo izao izany fiovana izany, satria efa zatra miliba amin’izany. Soa ihany fa tsy isika irery no milonjo ity fankahalana ity fa miantefa amin’Izy Kristy ihany koa, ka iarahana aminy. Marary ny afero raha tohina mantsy ny aty, raha voatsindrona ny tanana mahare maharary ny tena manontolo. Amin’izay, tsy havesatra ny fankahalana fa iaraha-mizaka amin’Izy Kristy. Hitantsika izany tamin’ireo maritiry hatramin’izay, foiny hatramin’ny ainy. Toy izany koa ny fanenjehana atao amin’ny Eglizy, izay Vadiny sy malalan’i Kristy, saingy mbola eo izy sy maharitra hatramin’izao.

Izany fankahalana izany mitarika amin’ny fanenjehana ka Izy Kristy, fantantsika, fa nenjehina fatratra. Izay manara-dia Azy tsy mahagaga raha enjehina ihany koa. Diniho anie ireo Apostoly rehetra e: saiky maty maritiry avokoa. Fa tsy tamin’izany andro izany ihany fa hatramin’izao mbola misy ny fanenjehana any ambadika any ka entina am-bavaka ireny. I Kristy nizaka ny fanenjehana, niatrika fitsaran’olombelona, nokapohina, nosatrohina fehiloha tsilo, nasiana tehamaina, nilanja ny hazofijaliana, nofantsihana tongotra aman-tanana nefa tsy namaly fa nanaiky tamin-kamoram-po, toy ny ondry bonaika entina ho vonoina aza, nahantona tamin’ny hazo, nalevina. Fa tsy nijanona hatreo fa nitsangan-ko velona, izay ankalazaintsika izao, ary niakatra any an-danitra. Toky ho antsika izany fa tsy tompon’ny teny farany akory ny ratsy, tsy tokony hamarana ny amintsika ny fanenjehana fa ao ny tena fiainana tonga lafatra miaraka aminy mandrakizay, rehefa ho afaka amin’ity sahan-dranomaso ity isika. Koa mahaiza mizaka ny anjara hazofijaliantsika isika mba hahafahana mandresy toa Azy Kristy ihany koa.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...