2 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)

Abaribarin’i Jesoa amintsika ny fifandraisany amin’ny Rainy ka tsy nokoboniny ho Azy irery fa naparitany amintsika ka lazainy mazava eto hoe: “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa” Zava-dehibe anie izany rey olona e! Satria maneho ny tena fitiavana, ataony mitovy aminy Andriamanitra isika olombelona, mietry tena Izy mba hanandratra antsika ka taominy isika hitoetra amin’ny fitiavany fa tsy amin-javatra hafa. Izany hoe: aoka tsy hisy afa-tsy fitiavana no manosika antsika, aoka tsy hiaina afa-tsy fitiavana isika, aoka tsy hivelona afa-tsy amin’ny fitiavany, dia ilay fitiavana misokatra amin’ny hafa fa tsy hoe manao zinona azy, ilay fitiavana mamerovero hanitra fa tsy fitiavana mantsim-pahotona ka tsy mahalala afa-tsy ny tenany ihany. Halaviro ny fankahalana, ny fialonana, ny fifampandaniana amin’ny ratsy, ny lainga sy ny fitaka, ny fihatsarambelatsihy, ny kolikoly… fa manohitra ny fitiavana izany. Aoka hahadodona antsika ny hitoetra amin’ny fitiavany. Atao ahoana anefa? Manoro hevitra antsika ihany Izy ny amin’izany, hoy Izy: “Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako”. Miverina indray eto ny fitandremana ny didy, ilay didy tsy natao hangeja fa natao hanafaka, ilay didy tsy natao hampatahotra fa didy mitondra hafaliana sy fahasambarana aza. Tsy inona akory izany fa ny didim-pitiavana ihany. Koa tsara raha tandrovana toy ny anakandriamaso izany teniny izany. Raha sanatria ka misy maha solafaka dia hiarina haingana, araka izay azo atao, tsy hiandrasana vanim-potoana lehibe toy ny Paka na Noely fa rehefa lavo dia miarina avy hatrany.

Tohizin’i Jesoa ihany ny teniny hoe: “Tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany”. Modely tamin’ny fitandremana ny didin’ny Rainy i Jesoa ka tokony ho izany koa no ataontsika mpanara-dia Azy. Matetika anefa isika tsy mitandrina fa mora lavo. Rehefa mitandrina ny didiny isika dia mitoetra amin’ny fitiavany mandrakariva. Koa mikeleza aina hitandrina ny didiny. Manomboka amin’ny tena izany, miitatra amin’ny manodidina, ny iray fikambanana, iray tarika, ny mpiara-mivavaka, ka hiitatra tsikelikely hahatratra ny rehetra. Mitandrina izany na amin’ny teny na amin’ny atao na amin’ny kinasa na eritreritra. Ankehitriny mantsy, indrisy, toa izay mitandrina ny didy indray no hafahafa amin’ny fiaraha-monina, satria rehefa ratsy no iainan’ny rehetra ka lasa tsy izy indray izay manao ny tsara; loza! Tena loza! Aoka isika hazava mandrakariva, ka ny hazavan’ny Paka ankalazaintsika izao tsy ho fatin’ny hevi-diso amin’ny rivotry ny fandrosoana mamotika antsika matetika. Tsorina fa tsy izy avokoa izay mifanohitra amin’ny fitiavana ka tsara ialàna avy hatrany.

Mitondra antsika amin’ny hafaliana ny fitandremana ny didy, araka ny lazain’i Jesoa eto hoe: “Mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo”. Koa hiezaka mandrakariva isika ho tonga amin’izany hafaliana lazain’i Jesoa izany.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...