Alakamisy 26 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47 — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

0 : 00

Mitohy ny adihevitra momba an'i Jesoa sy ny niaviany ary ny maha Andriamanitra azy. Andriamanitra Ray, Joany Batista, ny teniny sy ny asany ary ny Soratra Masina dia samy manambara fa i Jesoa no ilay Kristy, Mesia, Mpamonjy andrasana. Rehefa lavina anefa izany fanambarana rehetra izany dia tsy midika inona ho an'izay tsy mino. Diniho isan'andro ny Soratra Masina sy izay ataon'Andriamanitra amintsika dia hihalalina ny finoantsika. Nenjehan'ny Jody izay nino an'i Jesoa sy nanaraka azy. Tsy hoe mandà ny Soratra Masina akory izay manaraka an'i Jesoa sy mino azy fa nahita ny tsara indrindra aza, ary ny Soratra Masina dia i Jesoa no toriny. Ao amin'ny Evanjelin'i Masindahy Joany, izany hoe tsy finoana, izany no fahotana lehibe indrindra ka tsy maintsy ialana. Karemy ny andro, ampirisihana isika handinika  bebe kokoa ny Soratra Masina, hanamafy orina kokoa ny finoana.

Tsy midera tena i Jesoa, tsy mila voninahitra amin'ny olombelona satria tsy araka ny fomban'olombelona no hamonjeny fa drafitr'Andriamanitra Ray. Ny atao hoe finoana noho izany dia fisokafana na fanokafana ny fo hidirana sy hitoeran'Andriamanitra, fa tsy ny momba ny tena, izany hoe ny hevitra, ny harena, ny hambom-pon'ny tena no hameno fa aoka ho Andriamanitra. Karemy, fanekena an'Andriamanitra hameno ny fianantsika manontolo, famelana an'Andriamanitra hanjaka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...