16 aprily 2024 — Talata, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava; isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 30-35)

Tamin’izany andro izany,
hoy ny vahoaka tao Kafarnaôma tamin’i Jesoa:

“Inona àry no fahagagana ataonao,
mba ho hitanay ka hinoanay Anao?
Inona no asa ataonao?
Ny razantsika nihinana ny mana tany an’efitra
araka ny voasoratra hoe:
Mofo avy any an-danitra no nomeny azy hohaniny.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa tsy i Môizy no nanome anareo ny mofo avy any an-danitra,
fa ny Raiko no manome anareo ny mofo avy any an-danitra
izay tena izy tokoa;
satria izay mofo midina avy any an-danitra
sy manome ny fiainana an’izao tontolo izao
no mofon’Andriamanitra.”

Ary hoy izy ireo taminy:

“Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho no mofon’aina;
izay manatona Ahy tsy mba ho noana intsony,
ary izay mino Ahy tsy hangetaheta mandrakizay.”

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...