9 aprily 2024 — Talata, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 7-15)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe:

“Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe:
‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’
Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony,
nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany;
tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.”

Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe:

“Atao ahoana no hahatonga izany?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Mpampianatra amin’i Israely ianao
ka tsy mahalala izany va?
Lazaiko marina dia marina aminao
fa izay fantatray no lazainay,
ary izay hitanay no ambaranay,
nefa tsy raisinareo ny filazanay.
Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra ety an-tany,
hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra?
Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra
afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany,
dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra.
Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra
no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa,
mba tsy ho very izay rehetra mino Azy,
fa hanana ny fiainana mandrakizay.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...