5 aprily 2024 — Zoma amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)
Ry havana; toa tanaty hakiviana lalina ireto mpianatra noho ny nahafatesan’ny Tompony ilay narahany; teo indrindra izy ireo no nandeha niverina tamin’ny asany andavanandro taloha. Rehefa nanarato anefa dia tsy nahazo na inona na inona nandritra ny alina. Mitambatra ny fahoriana: lasa ilay olona narahina sy efa nandaozana ny fiainana taloha; avy eo anefa niverina fa tsy nahomby. Enta-mavesatra tsy misy toy izany. Fa eo i Jesoa no tonga: manambara fa velona izy, mamonjy azy ireo sy manoro izay fomba hahombiazana. Fito ny isan’ireto mpianatra eto ireto; manambara ny mpianatra rehetra sy ny mpino rehetra amin’ny toerana rehetra sy fotoana rehetra isan’ny mpianatra eto io, hoy i Masindahy Augustin, raha nanazava ity fisehoan’i Jesoa eto ity.
Ilay mpianatra malalan’i Jesoa no nahalala voalohany an’i Jesoa noho ity fahagagana ity. Vantany vao niteny izy hoe “ny Tompo io” dia nentanim-po koa i Piera, nandao ny namany sy ny haratony ary ny trondro vao azony mba hankanesany eo amin’i Jesoa. Telo amby dimampolo amby zato no isan’ny hazandrano azony. Manambara ny taranaka rehetra sy ny Eglizy manontolo vokatry ny asan’Apôstôly mitory ny Evanjely amin’ny fomba maro samihafa izany, hoy ireo mpahay Soratra Masina.
Manasa hisakafo i Jesoa; dia manambara ny fanasan’ny Zanak’ondry izany: santarina amin’ny Eokaristia fa ho tanteraka sy lavorary any amin’ny Fanjakan’ny Ray. Tsy avelan’ny Tompo ho irery isika mamakivaky ny fiainana sy miatrika ny fisedrana. Fa eo mandrakariva izy, tsy mandao, tsy mahafoy fa mamonjy. Finoana sy fitiavana no ahitana sitraka aminy.