4 aprily 2024 — Alakamisy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)

Ry havana; miseho amin’ny mpianany indray i Jesoa mandresy ny tahotra sy ny tsy finoan’ireo. Mirary fiadanana Izy; izay no vokatry ny Paka: fiadanana, hasamabarana sy famonjena. Porofoin’i Jesoa mihitsy fa velona izy, misakafo, mitondra ny mariky ny fijaliana ary indrindra manazava ny Soratra Masina. Raisin’Andriamanitra an-tanana ny finoantsika. Avy amin’Andriamanitra ny finoana satria marina izy manambara; fa misy avy amin’ny olombelona koa satria fanokafana ny fo handray an’Andriamanitra sy hanaiky ny Evanjely.

Fiekem-pinoana ambarantsika ny hoe “i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo araka ny voalazan’ny Soratra Masina”. Avy amin’ny fanambaran’Andriamanitra ny finoana ary fandaharan’Andriamanitra ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy, ka izy Ilay Teny mihitsy no manazava ny Tenany ao amin’ireo teny momba Azy. Ny finoana manko tsy miankina amintsika, tsy miankina amin’izay zavatra haintsika sy takatry ny saintsika fa hoe marina sy azo antoka Andriamanitra nanambara azy.

Vokatry ny Paka koa ny fibebahana sy ny famelan-keloka. Tenin’i Jesoa tamin’ny nanorenany ny Eokaristia ny hoe “ny rany halatsaka ho an’ny be sy ny maro ho famelana ny fahotana”. Ary dia mandaitra tokoa izany ka io ankininy amin’ny Eglizy io, izay ny apôstôly no vato fototra iorenany. Be fitiavana Andriamanitra. Omeny antsika izay rehetra ilaina hahavonjy, ataony izay fomba rehetra hahavonjy: sokafany ny saina hahalala ny Soratra Masina, omeny ny Vatany sy ny Rany ho sakafo, atolony ny Sakramenta fibebahana ho famelan-keloka ary miantso sy maniraka olona izy ho vavolombelona. Ny hany ataontsika sisa dia ny mandray sy mizara. Mahereza àry isika; homba antsika anie ny fiadanana. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...