3 aprily 2024 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

Ry havana; mitohy hatrany ny fanambaran’ny Evanjely manamarina am-pinoana fa nitsangan-ko velona i Jesoa. Mpianatra roa lahy no miresaka sy isehoan’i Jesoa indray eto. Eo amin’ny tontolon’ny fitsarana manko, raha olona iray no mijoro ho vavolombelona dia tsy azo raisina ho marina, fa roa kosa dia tena azo antoka; izany no antony itantaran’i Masindahy Lioka ireto mpianatra roa ireto, mba ho tena marina sy azo antoka ny fijoroany ho vavolombelona.

Mbola tanaty alahelo ireto mpianatra no indro i Jesoa miara-dalana aminy eny: tsarovy tsara fa rehefa isika torovan’ny fijaliana, rehefa isika aondriky ny alahelo iny, rehefa isika toa mamakivaky efitra na anaty haizina toa tsy mahita mazava iny, amin’ireny indrindra no ihaonantsika amin’i Jesoa, amin’ireny indrindra Izy no tonga miara-dalana amintsika, mitondra hazavana, mankahery, mitondra famonjena. Amin’ireny indrindra no fotoana ampandrosoana azy ao an-trano, anokanana fotoana betsaka mihitsy aza itafana aminy.

Nanaiky hiantrano tamin’ireo mpianany i Jesoa, niara-nisakafo rahefa avy nanazava ny Soratra Masina; dia ilay litorjian’ny Eokaristia izay, Tenin’Andriamanitra sy Tenan’Andriamanitra, tsy misaraka; ilay Teny mihitsy no tonga nofo ary nofo zary mofo mahavelona. Tsy hitan’izy ireo intsony i Jesoa avy eo, fa izy ireo kosa indray no lasa vavolombelona manambara azy hatraiza hatraiza. Fiainantsika izany: antso sy iraka. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...