31 marsa 2024 — Alahady, Fitsanganan'ny Tompo — Efa voavono i Kristy izay Paka ho antsika ao amin’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 1-9)

Ry kristianina havana; arahabaina an-kafaliana isika mianakavy tratr’izao Paka androm-pamonjena izao. Izao fandresen’i Kristy ny fahafatesana izao no fototry ny finoantsika sy ny famonjena antsika; koa mifalia fa tanteraka izay nambaran’Andriamanitra hatrizay, tanteraka ny famonjena mandrakizay. Ambarantsika ao amin’ny fiekem-pinoana fa “nijaly sy maty ary nalevina FA nitsangan-ko velona tamin’ny andro fahatelo i Jesoa Kristy araka ny voalazan’ny Soratra Masina”. Izany hoe nandresy ny fahafatesana Izy araka ny fandaharan’Andriamanitra. Tsy nisy nanatri-maso akory ny nivoahan’i Kristy avy tao am-pasana, fa famantarana no dinihina ka manambara fa velona: ny lamba namonosana azy dia nivalona tsara ka tsy ahiana hoe mpangala-paty no nanao izany fa lamina avy amin’Andriamanitra; mbola nihaona tamin’ny mpianany Izy taorian’izany nanaporofo fa velona tokoa. Hodinihintsika lava izany.

Marihintsika manokana eto i Joany ilay mpianatra malalan’i Jesoa: tonga alohan’i Piera izy satria mialoha lalana ny rafitra ao amin’ny Eglizy ny finoana sy ny fitiavana. Olona manam-pinoana sy manam-pitiavana no miombona ao amin’ny Eglizy. Fa mifanindran-dalana amin’izay koa ny anjara toeran’i Piera, ilay vatolampy nanorenan’i Kristy ny Eglizy: tsy misy finoana tonga ho azy sy mandeha amin’izao fa tanan’ny Eglizy sy ampianariny ka ekena. Afaka ny fahotana; miverina amin’ny laoniny ny fihavanantsika amin’Andriamanitra; tonga zava-boary vaovao isika (ambaran’ny hoe marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro) ary ny tena lehibe dia manana ny antoky ny mandrakizay isika, manana ny tsimoky ny fitsanganantsika ho velona koa isika, noho ny Batemy, satria santatra ho antsika ny fandresen’i Kristy. Atolory azy ny tenantsika fa handresy tokoa miaraka aminy. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...