30 marsa 2024 — Sabotsy Masina — Fiaretan-tory ankalazana ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 1-8)

Ny Sabotsy Masina dia fotoana hiandrasana ny fitsanganan-ko velona. Fiampitana amin’ny Paka. Fotoana iray izay iantombohan’ny aina vaovaon’ny Egilzy satria loharano ipoiran’ireo Sakramenta rehetra izay mifototra indrindra amin’izay Kristy nitsangan-ko velona izay. Fiantombohan’ny fiainam-baovao eo amin’izao tontolo izao. Ny famatarana sy ny tenin’Andriamanitra no manaporofo izay fa ny fitsanganan’i krsity ho velona dia fanombohan’ny fiainam-baovao. Ny famatarana amin’izany dia ny Jiron’ny Paka izay narehitra teo amin’ny afo vao entina miditra ao am-piangonana, manambara an’i Kristy fahazavana manilo ny Eglizy. Eo koa ny rano hamasinina ka io Jiro io no ajoboka, midika fa iI Kristy no midina ao manamasina ny rano hampiasaina amin’ny fanaovana batemy ireo izay efa nihomana mialoha amin’io fotoana io ho tonga zava-boary vaovao. Ary ireo tenin’Andriamanitra vakìna dia miantomboka amin’ny fitantarana ny asam-pahariana ao amin’ny Jenezy ka hatramin’ny fitantarana ny fitsanganan’i Kristy ho velona ao amin’ny Evanjely.

Misy vehivavy telo, dia Maria Madeleine, Maria renin’i Jakoba ary i Salome, nandeha nankany amin’ny fasana hanosotra zava-manitra ny vatany. Nandeha maraina akoho izy mba tsy hisy hahita satria namaivay ny fanejehana nataon’ny Jody tamin’izany. Eo am-piadiana hevitra amin’ny fomba entina maneho izany izy ireo no indro fa efa nivoha ny fasana. Efa tsy teo amin’ny toerana intsony ilay vato nanarona ny fasana, vato mavesatra ka sarotra esorina. Niditra tao am-pasana raha nanantena ahita ny Vatan’ny Tompo sy haneho fitiavana azy amin’ny alalan’ny fanosorana zava-manitra azy dia zavatra tsy napoiziny no nitranga, indro tovolahy miakanjo fotsy no hitany tao. Midika izany fa ho an’ny olona izay manara-dia an’i Kristy dia misy zavatra tsy ampoizina mihoatra izay heverintsika sy izay mety sainintsika ary vinavinaintsika hatao no asehony eo amin’ny fiainana. Manaporofo ny misterin’Andriamanitra izany ary maneho ny fahefany mpandrindra sy mpandamina ny zavatra rehetra. Ho an’izay mino dia miaiky fa Andriamanitra no mandahatra ny zavatra rehetra.

Taitra ireto vehivavy telo, natahotra satria noheverina ho matotoa, nefa anjely, niteny tamin’izy ireo ny anjely nanome toky nanao hoe “aza matahotra ianareo, mitady an’ Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona izy , ka tsy eto intsony (…)”. Izany hoe velona i Jesoa, nandresy ny fahafatesana. Ary naniraka azy ireo ny anjely mba hilaza izany amin’ireo mpianany. Ny fitsangan-ko velona no fototry ny finoana. Hoy i Masindahy Paoly: “Raha tsy nitsanga-ko velona i Kristy dia zava-poana ny finoanay”. Notapahany ny fatoran’ny fahafatesana. Tsy ny fahafatesana na ny ratsy no tompon’ny teny farany, fa i Kristy, ilay Zanank’Andriamanitra sady Mpanavotra. Izany no maneho amintsika fa izay miaraka amin’i Jesoa dia afaka mandresy ny ratsy mandrakariva. Ary izany no santatry ny fitsanganantsika ho velona sahady dieny ny ety an-tany.

Ny apôstôly rehetra dia nihiboka tao an-trano noho ny tahotra ny fanenjehana, fa teo ihany koa ny fahadisoam-panatenana tao amin’izy ireo satria maty ilay nanankinany ny fony sy nianteherana, dia i Jesoa. Ka ny iraka niantefa tamin’ireo vehivavy telo ireo dia hamelona indray ny fanantenana tao amin’ireo apôstôly ireo. Ankehitriny maro ny olona diso fanantenana noho ny antony maro ka tsy mahita ianteherana, tsy mahita izay haleha intsony; mba tsy ho tafalatsaka amin’ny famoizam-po izy ireny dia manana adidy isika aminy alalan’ny fiezahana maneho amin’ny tenatsika ny fitsanganan’i Kristy ho velona mba hampitraka azy ireny amin’ny fomba fihevitra sy ny atao: mankahery, mihaino, manome vahaolana, tsy manilika na iza na iza ary manasoa amin’ny endrika hita maso araka izay fahafahana. Tsy hanao vain-drahalahy tsy marary fa handray ho toy ny an’ny tena ny ratra mahazo ny hafa.

Mifaningotra ny hatelon’andron’ny Paka, izany hoe ny Alakamisy Masina, Zoma Masina ary ny Sabotsy Masina dia tsy afaka misaraka ary koa tsy azo dinganina. Ny Eokaristia sy ny Hazofijana ary ny Fitsanganan-ko velona dia miaraka mandrakariva. Tsy maintsy manaiky ho levona isika, manolo-tena, izay vao mahazo fandresena.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...