29 marsa 2024 — Zoma Masina — Fankalazana ny fijalian'ny Tompo — Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Fijalian'i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan'i Masindahy Joany (Jo. 18, 1-40 ; 19, 1-42)
Ny Evanjely androany dia mitantara ny nijalian’i Kristy sy ny nahafatesany. Tsara ho fantatra aloha fa ny anton’io fiampangana Azy dia izao, maro ny olona resy lahatra tamin’ny fampianarana sy asa nataon’i Jesoa Kristy ka nitombo be ny mpanara-dia azy, natahotra ireo lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalana satria manembatsembana ary mety hahafoana ny fivavahana Jody mihitsy izany. Ka nitady fomba izy ireo hamonoana an’i Jesoa. Ny antony voalohany namonoana an’i Jesoa dia antony ara-pivavahana. Akotra izay kosa dia ny ara-pinoana, ny fahafatesana no lalana nanomezan’Andriamanitra antsika ny fahavelomana. Ka ny Zoma Masina dia hibanjinana ny HAZOFIJALIANA izay nanehon’Andriamanitra ny fitiavany ny taranak’olombelona.
Tonga ny fotoana izay hahatanterahan’ny teniny: “Tsy maintsy hijaly ny zanak’olona”. Nivory tamin’ny toerana iray efa mahazatra azy i Jesoa sy ny mpianany, fantratr’i Jodasy izany ka nentiny ny lohandohan’ny mpisorona, ny mpanora-dalana ary ny miaramila mba hisambotra azy. Natrehany tamin-kery lehibe izany. Raha nikasa hanohitra i Piera ka efa nahafaka ny sofina havana’ny miaramila iray dia hoy i Jesoa hoe: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao”. Nekeny ny fisamborana azy. Teo anatrehan’ny fitsarana dia tsy toy ny voampanga izy izay malok’endrika sy resy tanteraka, fa nitraka ary afaka namaly ary nanontany ihany koa aza, sahy nilaza ankarihary fa Andriamanitra izy. Nijoro naneho ny maha izy azy sy ny antom-pisiany tety an-tany dia ny hitory ny marina. Hoy izy tamin’ireo nitsara azy : “Izaho no Jesoa izay tadiavinareo” - “Mpanjaka aho”. Izany hoe teo anatrehan’ny fiampangana tsy marina fa vokatry ny tsy finoana sy ny fialonana dia nanaiky izy ary nijoro hatramin’ny farany ka nahatanteraka ny sitrapon’ny Ray teo amin’ny hazofijaliana.
Tamin’ny batemy isika dia nasina mariky ny hazofijaliana, ary amin’ny vavaka rehetra izay atao dia manao io famatarana io, fanehom-pinoana amin’ny fahavonona hitondra ny anjara fijaliana. Hoy i Jesoa hoe: “raha tsy sedraina ny finonareo tsy ho matotra” “raha tsy mitondra ny hazofijaliko ianareo dia tsy mendrika ny ho mpianatro”. Ny sedra sy ny fijaliana dia miseho amin’ny endriny maro samihafa eo amin’ny tsirairay toy ny aretina, eo amin’ny fiankaviana ny fahantrana, eo amin’ny fiaraha-monina dia ny tsy fandriam-pahalemana. Ka mba ho afaka isika hitonda ireny dia tsy maintsy mibanjina ny fijalian’ny Kristy: nandray am-pitiavana izy ary tsy nanaiky ho resin’ireny, niharina rehefa lavo, nankahery rehefa nahita ireo vehivavy masina nitomany nahita ny fijaliany, maty fa nitsangan-ko velona.
Raiso am-pitiavana izay mety anjara fijaliantsika, mitraka fa aza manaiky ho resy satria tsy ny fijaliana no tompon’ny teny farany. Aorian’ny Zoma Masina dia misy Paka, fandresena hitondra antsika amin’ny fahazavana vaovao. Tsy isika mijaly no sitrak’Andriamanitra fa isika afaka mitondra izany tsy mitaraina toa an’i Kristy ary mbola manana herim-po koa aza hankahery ny hafa, izany hoe mijoro hatramin’ny farany. Ankotra izany rehefa tafasandratra ambony izy satria efa voafantsika tamin’ny hazofijaliana; miantona toy ny olom-boahozona, dia nitalao tamin’ny rainy izy ho an’ireo olona namantsika azy nanao hoe: “Ray avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony”. Ary hoy koa izy tamin’ilay jiolahy nivalo niaraka nofantsihana taminy: “Androany ihany ianao dia hihaona amiko any am-paradisa”. Tsy nanao an-dolompo fa nahay namidrafo i Jesoa. Araka izany, ny hazofijaliana ihany koa dia maneho ny idrafon’Andriamanitra. Lehibe noho ny fahotantsika ny indrafony. Ny tanany miampatra teo dia mandray ny mpanonta rehetra tsy misy an-kanavaka. Na i Piera na i Jodasy dia samy niantefan’io famindram-po io, samy nanota teo anatrehan’i Jesoa ireo, satria nivadika sy nandaà Azy. Fa i Piera nibaboka tamin’ny fahotany, nanenina izay efa fiandohan’ny fibebahana sahady; i Jodasy kosa, very fanantenana, kivy ka lasa namono tena.
Eo anatrehan’ny fahalemena maha olombelona dia mandray anjara amin’ny famantsihana an’i Jesoa ihany koa isika isaky ny tafalatsaka amin’ny fahotana fa na dia eo aza ireny kilema ireny dia aza manary toky toa an’i Jodasy, fa miverena mandrakariva amin’Andriamanitra toa an’i Piera. Ny fahakivina sy ny tsy fisian’ny fanantenana mamery, fa ny fahatsapana ny hadisoana kosa manokatra antsika amin’ny famonjen’Andriamanitra. Rehefa mbola tsy mamono eritreritra isika amin’ny fahotana izay natao dia mbola mizotra amin’ny lalam-pamonjena. Raiso araka izay tratra ny Sakramentan’ny Fampihavanana izay lalana napetrak’I Jesoa ao amin’ny Egliziny ahafahana migoka io idrafony io. Hoy izy nanome fahefana ireo apôstôly: “Ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela ary izay ho tananareo dia ho voatana”(Jo 20, 23)
Ny hazofijaliana dia mariky ny indrafon’Andriamanitra. Io no nahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra. Fa mba ho zanaka taha-dRay isika dia miantso antsika i Jesoa Kristy manao hoe: “Aoka ho mpamindrafo tahaka ny Rainareo ianareo”. Ka ny fibanjinantsika izao hazofijaliana izao dia mampahatsiahy antsika ihany koa fa voairaka isika hitory sy hiaina izay fahaizana mamindra fo izay. Ialao ny lolom-po sy ny valifaty mba ahafahana manorina fiaraha-monina vaovao, hajakan’ny fifankatiavana, firaisan-kiana, fihavanana, fifampitsimbinana mba hitoetra eo amin’ny fiainantsika ny fiadanana, ny hafaliana.
Mariky ny maha kristianina ny hazofijaliana, fa maneho indrindra indrindra ihany koa ny fitiavana sy ny indrafon’Andriamanitra ary maniraka antsika hiaina ny famindram-po ihany koa eo amin’ny fiainantsika manontolo.