22 marsa 2024 — Zoma, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 31-42)

Ry mpihaino hajaina, mbola ao anatin’ny fotoanan’ny karemy isika ary efa manakaiky ny fijalian’i Jesoa. Ny tenin’Andriamanitra anio dia manambara sy ahitantsika an’i Jesoa enjehina sy hotoraham-bato. Teo amin’ny fiaraha-monina Jody mantsy, tamin’ny andron’i Jesoa, ny fitoraham-bato dia sazy nomena ho an’ny karazana heloka bevava maro; toy ny fanitsakitsaham-bady, ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra, ny fanompoan-tsampy, ny famonoana olona, ny fanolanana ary ny fanaovana ody mahery. Fomba iray hamonoana ny olona izay voampanga tamin’izany fotoana izany.

I Jesoa dia nosokajian’ny Jody fa niteny ratsy an’Andriamanitra satria olombelona kanefa milaza ny tenany ho Andriamanitra ka mendrika hotoraham-bato. “Tsy ny asa soa no itorahanay anao fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra satria olombelona fotsiny ianao nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra”. Mpandainga tahaka anareo koa izaho raha tsy milaza ny marina hoy i Jesoa. Ny marina nolazain’i Jesoa no nahatonga azy voaenjika. Ny marina tsy mba maty hoy ny Ntaolo. Ny kristianina dia mpanara-dia an’i Jesoa ka olona milaza ny marina sy miaro mandrakariva ny fahamarinana, eny fa na dia sarotra aza ny milaza izany. Noho izany dia mety ho voaenjika koa izy. Rano indray mitete eo amin’ny Ranomasimbe ny kristianina, vitsy eo anatrehan’ny maro, indraindray miady irery eo anatrehan’ny fahavalo.

Inona àry no hanehoantsika ny fahamarinana? Tsy maintsy miseho amin’ny asa soa sy amin’ny fiainantsika andavanandro izany fahamarinana izany. Ny an’i Jesoa dia ny asan’ny Ray mihitsy no nasehony, ka ireo asa ireo no nasain’i Jesoa nodinihin’ireto Jody mitady hamono azy. Inona àry ny asan’ny Ray? Nahary, namelona sy niaro ary nanome ny fahafahana ho antsika Izy. Izany koa no nataon’i Jesoa, ny jamba nomeny fahafahana hahiratra, ny mandringa nomeny fahafahana hitsambikina, ny boka nomeny fahafahana ho sitrana. Asan’ny Ray ny manafaka antsika satria nohariany sy notiaviny isika. Asaina ihany koa isika kristianina mba hanohy ny asan’i Kristy. Izay manatanteraka ny asa maha kristianina azy dia mahita ny asan’i Kristy. Izay fiombonana hita amin’ny asa izay no nahatonga an’i Jesoa nanambara fa na dia tsy hino ahy aza ianareo dia minoa ny asako ka ho fantatrareo fa ny Ray ato amiko ary Izaho ao amin’ny Ray.

Vavolombelon’ny mpiasa ny bainga, ny fiainantsika ety ivelany no tena maha kristianina antsika fa tsy anarana entina fotsiny. Anisan’ny fotoana anehoantsika asa soa, asa fiantrana misimisy kokoa ny fotoanan’ny karemy, ka alao hery àry, satria fomba lavorary ahafahantsika mampiseho ny fanohizana ny asan’Andriamanitra.

Ry Ray ô, ny asan’i Jesoa Zanakao dia naneho ny asanao koa. Aza avela hanjakan’ny fiavonavonana mampihidy ny sainay sy ny fonay tsy hampanjaka ny marina avy aminao izahay. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...