21 marsa 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 51-59)

Ry mpihaino hajaina, manakaiky hatrany amin’ny fankalazana ny Paka isika. Tsy sasatra i Jesoa manambara tsikelikely ny marina momba ny tenany amin’ireto Jody. Tsy zakan’izy ireo anefa ny marina izay lazain’i Jesoa. Toetra raiki-tapisaka amintsika olombelona ny tsy fahazakana ny marina. Tsy hahita fahafatesana mandrakizay izay mitandrina ny teniny, hoy i Jesoa. Tsy azon’i Jody anefa izany satria tsy fantany i Jesoa ary ireo izay fantany, tahaka an’i Abrahama dia nandalo fahafatesana, ka sarotra ho azy ireo no nino an’i Jesoa. “I Abrahama sy ny mpaminany aza maty”, hoy izy ireo, ka nambaran’ireto farany fa azon’ny demony i Jesoa. Nianoka tao amin’ny fisainana ara-nofo fotsiny izy ireo momba ny fahafatesana fa ny tsy fantatr’izy ireo ilay hoe ny fanahy dia afaka velona mandrakizay. “Aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy, fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe” (Mt 10, 28).

Mety maty ny vatana amin’ny maha nofo fa ny fahafatesan’ny fanahy kosa no mahavery ny olona any amin’ny afobe na handova ny fiainana mandrakizay. Tsy ny fahafatesana no tompon’ny teny farany eo amin’ny fiainantsika olombelona fa mbola mitohy na ho sambatra mandrakizay na hijaly mandrakizay. Izay mino an’i Jesoa ka mitandrina ny teniny dia handova ilay fiainana mandrakizay, ka ho voavonjy. Nambaran’i Jesoa mazava fa “mbola tsy àry i Abrahama dia efa Izaho Aho”. Midika izany fa efa teo hatramin’izay i Jesoa, efa teo talohan’ny fahariana izao voaary rehetra izao. Izy ilay nahary antsika niaraka tamin’ny Ray sy ny Fanahy. Noho izany, Izy Jesoa dia manana fahefana amintsika na hamery na hamonjy antsika. I Jesoa no lalana sy fahamarianana ary fiainana. Tsy miova na omaly na anio ary mandrakizay. Jamba tanteraka ny mason’ireto Jody manoloana an’ i Jesoa, mbola maro koa isika no tsy mahalala azy ankehitriny. Tsy fantatry ny olona fa ny fahotantsika no nanirahana Azy hidina aty ambonin’ny tany.

Miezaka mampahalala ny tenany i Jesoa ary lazainy fa mpandainga koa Izy raha tsy miteny ny marina momba azy sy ny Ray. Tsy nanira-tena araka izany fa nirahina ary nitandrina ny tenin’ny Rainy. Ireto fotoanan’ny karemy ireto àry no andeha ezahantsika hahalala sy hahafantatra bebe kokoa Azy amin’ny alalan’ny fihainoana sy ny fitandremana ny teniny. Mahalala sy mora tohina amintsika Andriamanitra, hoy ny hafatra nosoratan’ny Papa amin’ity karemy ity. Izy mihitsy no nirotsaka hanafaka ny vahoaka Israely ho afaka amin’ny fanandevozana. Izany no nahatonga an’i Jesoa tonga niara-nonina amintsika. Ny tsy fahalalana no mahatonga ny fitsarana amam-bolony. Manana faharetana àry isika amin’ny zavatra rehetra mba tsy hamono ny tsy manan-tsiny sanatria.

Ry Ray ô, kasiho amin’ny fahasoavan’ny Fanahinao izahay mba hisokafan’ny fonay sy hiovan’ny fiainanay ka hahazo ny fiainana mandrakizay. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...