19 marsa 2024 — Masindahy Josefa vadin'i Masina Maria Virjiny — Fankalazana manetriketrika — Sambatra izay monina ao an-tranonao, ry Tompo, ka midera Anao mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 42-51a)

Ry mpihaino hajaina, mankalaza manetriketrika ny fetin’i Masindahy Josefa mpitaiza isika amin’ity anio ity. Amin’izao vanim-potoana ny karemy efa madiva hifarana izao no ankalazain’ny Fiangonana izany. Fahasoavana ho an’ny Fiangonana manontolo ny fankalazana izany amin’izao fotoana manokana hiomanana amin’ny Paka izao. I Masindahy Josefa mantsy dia Ray mpitaiza sy mpanabe an’i Jesoa. Nandray anjara sy niara-dalana ary nikolokolo an’i Jesoa izy hanatontosa ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny misterim-pamonjena. Mampandinika antsika amin’izao fotoana izao, manoloana ny adidin’ny raim-pianakaviana sy ny fandraisany andraikitra amin’ny sehatra maro samihafa, na ao amin’ny fianakaviana na ao amin’ny fiaraha-monina fa indrindra ao amin’ny Fiangonana ny ohatra nomen’i Masindahy Josefa.

I Josefa dia vadin’i Maria. Ary ny maha ray ara-dalana azy no maha taranak’i Davida mpanjaka an’i Jesoa (Mt 1). “Ho lehibe izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy izy...” (Lk1, 32). Toetra nampiavaka an’i Josefa ny fahanginana. Olona matahotra an’Andriamanitra izy ka tsy tia mitsara olona, izany hoe tsy tia manala baraka olona. Tsy sanatria nanamora zavatra fa nanankina tanteraka ny zavatra rehetra teo anatrehan’Andriamanitra momba ny hoavin’ny fanambadiany sy ny fianakaviany noho ny olana nosedrainy. Miharihary izany tamin’ny fandraisany am-pitokiana ny hampakatra ho andefimandriny an’i Maria. “Ry Josefa, zanak’i Davida aza matahotra hampakatra an’i Maria ho vadinao” (Mt 1, 20).

Natoky tanteraka ny fandaminan’Andriamanitra izy. Noho izany nanome lanja tanteraka amin’ny fomba ifandraisana sy anompoana an’Andriamanitra ka nandeha nivahiny araka ny fomban’ny Jody any Jerosalema niaraka tamin’ny fianakaviana manontolo. Mba impiry isika no mafana fo hiara-dalana hitarika ny fianakaviana manontolo mba hivavaka. Tsy nisy fitaterana tamin’izany fa natao dia an-tongotra ary mety andro maromaro. Midika izany fa tsy nitandro hasasarana izy nankahery ny fianakaviany amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

Very i Jesoa nandritra ny hateloana. Tsy very nanao hadalana fa nijanona tao an-tempoly, ary gaga ny olona tamin’ny fahalalana sy ny fahendrena nananany. Matetika no misy ny fandosiran’ny zanaka. Mampahatsiahy antsika koa izany fa samy manana ny fahalemeny ny fianakaviana tsirairay, tahaka ny fianakavian’i Josefa sy i Maria. Ilay fahasahiranana niverina nitady an’i Jesoa tany Jerosalema dia zava-dehibe loatra, ary mampianatra antsika handray andraikitra, tsy hiraviravy tanana, amin’ny asa fanabeazana ny taranaka faramandimby.

Ry Ray ô, nitantana an’i Josefa mandrakariva ianao, ka mba topazy maso manokana ireo raim-pianakaviana miatrika olana ao anatin’ny fianakaviany. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...