17 marsa 2024 — Alahady Fahadimy amin'ny Karemy — Raha misy manompo Ahy, hoy ny Tompo, aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako no hitoeran’ny mpanompoko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 20-33)

Ry mpihaino hajaina, efa manakaiky ny fankalazantsika ny Paka, andro vitsivitsy sisa dia efa hankalaza ny Sampankazo sy hiditra amin’ny Herinandro masina isika. Ny Evanjely anio àry, dia efa mampiditra antsika amin’izany fankalazana izany. Hoy i Jesoa: “Tonga ny fotoana hanomezana voninahitra ny Zanak’olona. Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha tsy maty ny voam-bary nafafy tamin’ny tany dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy dia mahavokatra be”.

Ny fahatongavan’ny fotoana dia ny fiatrehan’i Jesoa ny fijaliana sy ny fahafatesana ary ny fitsanganany amin’ny maty. Tsy mora ny fiatrehana izany, hany ka na isika ankehitriny aza toa te handositra an’izany. Izany no nahatonga an’i Jesoa niteny hoe: “Ankehitriny, mitebiteby ny fanahiko, ka inona re no holazaiko?”. Tamin’io fotoana io mantsy i Jesoa no nitodika tany amin’ny Ray: “Raiko ô, omeo voninahitra ny anaranao”. Inona moa ilay voninahitra tenenin’i Jesoa? Tsy inona fa ilay voam-bary maty ary tonga namokatra be. Ny voninahitr’i Jesoa dia tsy inona fa ny lakroa. Ny lakroa izay tsy mitondra amin’ny fahafatesana fa mitondra famonjena, mitondra fahavelomana ho an’ny olona rehetra. Ary Andriamanitra Ray dia nanome toky fa efa nanome voninahitra Azy sy mbola hanome voninahitra Azy hatrany. Izany hoe Andriamanitra Ray dia tsy hanary na oviana na oviana ny zanany.

Ry havana malala, nanolo-tena ho antsika i Jesoa. Fanoloran-tena mihatra aman’aina no nihatra taminy. Io ilay noteneniny hoe “izay tia ny ainy no hahavery azy fa izay mankahala ny ainy amin’izao fiainana izao no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay”. Tsy nitahiry na nitazona ny ainy i Jesoa fa nanome ohatra Izy amin’ny fanoloran-tena. Ary noteneniny sy nampanantenainy fa ho an’izay manaraka izany fiainana izany dia hitoetra hiaraka aminy ary omen’ny Ray voninahitra koa. Raha te ho mpianatr’i Jesoa àry isika, dia tsy maintsy mitondra ny lakroa tahaka azy. Tsy mora izany satria mifanohitra amin’ny rivo-piainana iainan’ny olona amin’ny ankapobeny. Sarotra izany mahafoy tena izany, sarotra izany manome maimaim-poana izany, sarotra izany manompo ny hafa izany, kanefa misy ny manao izany tahaka ny nataon’i Kristy.

Ny fahafoizana dia fanehoana ny tena fitiavana, indrindra fa ny fahafoizana ny aina ho an’ny hafa. Hoy ny Soratra Masina: “Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany” (Jo 15, 13). Ny fitia mifamaly, hoy isika, mahatsara fihavanana. Tsy atero ka alao anefa ny fiainana maha kristianina. Nitia antsika i Kristy fa tiany koa isika hamaly ny fitiavany amin’ny alalan’ireo mahantra sy ireo tsy misy mpiahy. Aza miandry valiny amin’ny atao isika na mifidy izay hanaovan-tsoa afaka mamaly ny soa ataontsika azy ireo, fa ny fiainana maha kristianina dia fitiavana mandrakizay, fanomezana ho an’ny hafa.

Ry Ray ô, na dia sarotra aza ny tena mitia, satria mitaky fahafoizana hatramin’ny aina, dia ampitomboy ny finoanay mba ho soa, mba ho hasambarana, mba ho fiadanana ho an’ny hafa ny fiainanay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 nôvambra 2024

♦ Manasa antsika hivavaka ho an'ireo ray aman-dreny namoy ny zanany, ny Papa François, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana nôvambra ity... ♦ Nohamasinana ho diakra omaly tao amin'ny EKAR Masindahy Ignace de Loyola Soamanandrariny, i Fr Stephan Marie de l'Eucharistie Rasolonjatovo, avy amin'ny Fikambanana Société des Divines Vocations... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus ny 10 nôvambra 2024, mba hiady amin'ny fihatsaram-belatsihy, fa hanao ny tsara tsy amim-pisehosehoana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...