4 marsa 2024 — Alatsinainy, Herinandro Fahatelo amin'ny Karemy — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 4, 24-30)

Ry kristianina havana! Toerana naha lehibe an’i Jesoa i Nazareta ka tsy mahagaga raha tsy nanome haja aman-kasina azy ny tao satria nahafantatra ny antsipirihany momba azy: mpandrafitra, ny ray aman-dreniny, ny fianakaviany... Isika anefa dia hiangaviana mba hahalala bebe kokoa Azy mba hahafahantsika mandray ny fampianarany sy mampiditra azy eo amin’ny fiainantsika, araka ny nambara tamintsika teto omaly. Kanefa raha isika no tonga amin’ilay mijery ivelany sy mitsara fotsiny sady manombatombana olona, dia sarotra ny hahatafita any amintsika ny Vaovao Mahafaly entin’ireo mpamafy izany. Hany ka na isika koa aza dia kely ny finoantsika. Raha ampitahaina amin’ny fomba fiasainana malagasy manko ity tenenin’i Jesoa amin’ny Evanjely ity, dia ilay fomba fitenenantsika manao hoe havan-tiana tsy hiaraha-monina, fa mazana disadisa no vokany; kanefa ataontsika tahaka an’izany ve i Jesoa? Matetika ny endrika hita ivelany na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe “apparences”, manakona ny misterin’ny maha izy azy ny olona iray (Jesoa no resahana eto). Tsitan’ireo Jody namany ny maha mpaminany azy, ny maha Mesia azy, ny maha Zanak’Andriamanitra azy fa takona ny mason’izy ireo. Ndao isika hiezaka amin’izao karemy izao hiotra ireo rehetra manakantsakana antsika tsy hahafantatra bebe kokoa an’i Jesoa, izay mitondra famonjena ho antsika.

Nandray ohatra tamin’ireo zava-nisy tany aloha i Jesoa, nentiny nanohitra sy nanitsy ny toe-tsain’ireto Jody namany, izay tsy manana fo misokatra amin’ny fahasoavana entina ho an’izy ireo. Nanao “commentaire” ny voalaza tany aloha i Jesoa ary mampianatra ny Soratra Masina: ao amin’ny tany nahabe azy no matetika tsy hajaina ny Mpaminany (vakiteny voalohany androany no anisan’ny anankiray noraisin’i Jesoa ho ohatra). Aoka ho tandremantsika izany fomba fijerin’ireo Jody namany an’i Jesoa izany. Tsy afaka manao na inona na inona Andriamanitra rehefa ny fontsika no mikombona manoloana ny fahasoavana entiny ho antsika. Anisan’ny toe-javatra tsy mampandroso any amin’ny sehatry ny fiangonana maro any amintsika any io lazain’i Jesoa io, satria raha misy mba miezaka sy terem-panahy mba manao izay ahasoa ny fiangonana amin’ny lafiny rehetra noho ny fanomezam-pahasoavana azony, dia izay fijerena “valeur” izay no sakana ataon’ireo manodidina sy mpiara-monina azy. Ny loza aza rey olona dia tsy vitan’ny hoe tsy hajaina fotsiny ilay mpaminany solon-tenan’Andriamanitra any amintsika, nipoitra avy ao amin’ny tanàna, ny fianakaviana, fiaraha-monina fa tena soparana vonoina mihitsy na mivantana io na ankolaka. Manavanana antsika loatra izany ka tandremo ihany fa sarobidy eo imason’Andriamanitra ireny olona irahiny ireny ka tsy ho zakantsika raha hananany alahelo isika.

Jesoa Tompo ô! Efa noravanao ny rindrin’ny fahasamihafana sy ny fitsitokotokoana, koa sokafy ny fonay handray anao sy ireo irakao mitondra ny Vaovao Mahafaly aty aminay na iza izy na iza. Enga anie haninteraka ny fiainanay ny teninao sy ny fampianaranao ka hanampy anay hibebaka. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...