2 marsa 2024 — Sabotsy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)

Tsy ny fanamelohana no sitrak’Andriamanitra fa ny fibebahan’ny mpanota. Toe-pahotana ihany koa mantsy ny fimonjomonjoana. Ary izany indrindra no mahatonga an’i Jesoa manao ity fanoharana ity eto mba hahatonga saina an’ireto Farisianina sy mpanora-dalana mpimonjomonjo ireto. Tsy hoe rehefa ratsy akory ny olona dia ariana na tsy raharahiana. Toy izany koa, tsy hoe rehefa mpanota dia hihatahana na avela hijanona fotsiny ao anatin’ny fahotany. Ataon’ny olon-dratsy ahoana moa ny hahalala ny hatsaram-panahy raha mbola olon-dratsy mitovy aminy ihany no miaraka aminy? Satria raha ratsy miaraka amin’ny ratsy dia lasa ratsy tsy misy farany. Fa ny fiarahany amin’ny olo-marina no hahalalany ny hatsaram-panahin’ny olo-marina ka hiovany amin’ny tsara. Satria raha ratsy miaraka amin’ny tsara dia lasa mihena ny haratsiany. Ary efa fanombohan’ny fibebahana ny fihenan’ny ratsy natao. Noho izany, tsy anjarantsika no mitsara ny hafa amin’ny tsy mety ataony fa ny manatona azy sy mitarika azy hiala amin’ny lalana tsy mety ataony no tokony hataontsika. Izany no ambaran’i Jesoa amin’ny fihetsika ataony eto.

Ka ny ambaran’i Jesoa amin’ity fanoharana ity dia izao: tsy sitrak’Andriamanitra isika raha manome tsiny na mitezitra fotsiny ny olona mpanota fa ny tiany dia ny miara-paly Aminy rehefa misy mpanota iray mibebaka. Ka asehon’i Jesoa miharihary eto ny haben’ny indrafon’Andriamanitra amin’ny mpanota iray mibebaka ka miverina Aminy sy ny hafalian’ny mponin’ny lanitra rehefa miala amin’ny lalan-dratsiny ny mpanota. Zanaka mpandany no hilazantsika ity Evanjely ity sy ny hahalalan’ny be sy ny maro azy. Nefa raha dinihana ny zavatra asain’ity rainy karakaraina, noho ny fandraisana azy eto, dia betsaka lavitra ary mihoapampana noho ny lanin’ity zanany ny ataony. Satria tsy vitan’ny akanjo tsotra fa akanjo tsara indrindra izay midika fa lafovidy; tsy vitan’ny kapa tsotra fa kiraro mihitsy; tsy vitan’ny akoho fotsiny na mba ondry fa zanak’omby matavy mihitsy izay tsy lanin’ny tokantrano iray sy tsy lehibe raha tsy herintaona; ary tsy dité na kafé dia ampy fa zava-pisotro marobe no nataony. Nasiana peratra ny tanany, hilazana fa very hasina sy fahefana amin’ny maha-zanaka azy izy (nihosina tamin’ny kisoa biby maloto); izany hoe efa toy ny tsinontsinona, maty mihitsy fa naverina aminy ary nomena azy indray ny fahefana noho ilay peratra.

Araka izany, dia ity rainy no tena mpandany fa tsy dia ilay zanaka laotra. Milaza amintsika izany fa lehibe dia lehibe eo imason’Andriamanitra ny fibebahan’ny mpanota; ary lehibe dia lehibe ny indrafon’Andriamanitra noho ny fahotana vitantsika. Ka lehibe araka izay koa ny hafalian’Andriamanitra mandray ny fiverenany. Izany no tsy tokony himonjomonjoana fa hifaliana ary izany no tsy tokony hanotàna akory.

Koa aoka isika hahay handray ireo heverina ho mpanota fa tsy sitrak’Andriamanitra ny fanilihana azy ireny.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...