28 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 17-28)

Fanintelony nanambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany ny hijaliany ity voalaza eto ity. Satria eny an-dàlana miakatra ho any Jerosalema miaraka amin’ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy Izy eto. Fa maninona i Jesoa no manambara foana ny hijaliany in-telo miatoana? Ambarany foana ny hijaliany satria ny fiheveran’ireo mpianany Azy dia Tompo mandidy, handray fahefana, hanjaka. Hitan’ireo mpianany araky ny zava-bitany mantsy fa lehilahy mahery, mahefa ny zavatra rehetra Izy. Dia izay no mipetraka ao an-tsainy. Izany hoe mbola ilay fisainana amin’ny maha-olombelona be azy fotsiny no ao an-tsainy; na dia efa nampianatra azy ireo zavatra maro aza i Jesoa. Saingy ny làlan’ny famonjena soritan’Andriamanitra hanomanan’i Jesoa ireto mpianatra ho amin’ny any aoriana dia hafa mihitsy. Izany hoe ny famonjena ataon’i Kristy sy ny famonjena hanirahan’i Kristy dia tsy fiadanana ety an-tany na hasambarana ety an-tany fa fijaliana sy fahoriana. Kanefa handraisana valisoa kosa amin’ny ho avy: dia ilay fandresena amin’ny fitsanganan-ko velona na ny fahavelomana mandrakizay.

Misantatra azy i Jesoa mba ho ohatra ho antsika sy hahalalantsika ny fampianaran’Andriamanitra. Noho izany, ny iraka hanirahan’Andriamanitra antsika dia mitaky fandavan-tena sy fanoloran-tena. Ny fandavan-tena sy ny fanoloran-tena takin’Andriamanitra amintsika dia ny fanompoana fa tsy ny fitadiavam-boninahitra. Fanoloran-tena tsy izy sy tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra ny fikatsaham-boninahitra na fikatsahana toerana ambony noho ny tombontsoa manokana na ao amin’ny Fiangonana na ao amin’ny fanjakana. Izay no namalian’i Jesoa ny renin’ireo zanak’i Zebede izay mangatangatam-poana satria zavatra tsy fantatra no angatahina. Ny toeram-boninahitra eo anilan’Andriamanitra dia natokana ho an’izay efa nandresy. Ka matoa ny olona iray efa nandresy dia efa niaritra sy nisedra zava-tsarotra marobe izy izay. Ka tsy azoazo foana araka izany ny toeram-boninahitra. Izany no milaza amintsika fa ny toerana misy antsika tsirairay avy dia toerana natao hanompoana fa tsy toeram-boninahitra. Eo amin’izay misy anao, eo amin’izay hipetrahanao io no hanompoanao mba ho fanavotanao ny namana.

Koa aoka àry isika mba ho mpanompo mahafoy aina tokoa toa an’i Kristy ka tsy hitady tombotsoa manokana fa mba hitsinjo ny madinika sy ny ory.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...