27 febroary 2024 — Talata, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 23, 1-12)
Omaly i Jesoa dia nanoro antsika ireo toetran’Andriamanitra roa tokony ho tahafintsika: dia ny famindram-po sy ny fanaovan-tsoa. Fa androany indray Izy dia mandrara antsika tsy hanaraka ity toetra ratsy iray fanaon’ny Farisianina ity: dia ny fihatsarambelatsihy. Tsy fahamarinana ny fihatsarambelatsihy. Ary heloka sy fahotana toy ny asa ratsy rehetra izy satria tsy vitan’ny mamitaka an’Andriamanitra fa sady mamitaka ny hafa no mbola mamita-tena ihany koa. Izay ilay milaza fotsiny fa tsy manao. Mangilatra ivelany fotsiny. “Mamiratra fa tsy tsara”, hoy ny hiran’ny mpanakanto. Ka eo no ilàna fitandremana hoy i Jesoa: aza mila dera, aza mieboebo foana tahaka an’ireo Farisianina. Toetra raiki-tampisaka ao amin’ny olona mantsy ny te-ho ankasitrahana mandrakariva. Mety noho ny fahalemena ve? Sa noho ny tsy fahafantarana ny lanjan’ny tenany? Hadisoan-kevitra anefa ny fiheverana fa tsy mahavita asa tsara raha tsy misy mpankasitraka sy raha tsy misy mpahita. Tsarovy fa Andriamanitra mahita ny ao am-po tsy miloaka. Hitany avokoa ny atin’ny fo sy ny voa (Jr 20, 12 // 17, 10 // 11, 20). Izany hoe na dia tsy hitan’ny olombelona ety ivelany aza ny tsara vitanao dia hitan’Andriamanitra ny atin’ny fanahinao nahavita asa soa. Araka izany, dia tsy ilaina akory ny filan-dera ary izay no hitenenan’ny Jesoa antsika mba tsy haka tahaka ny Farisianina mpila dera.
Fanampin’izany, ny haja amam-boninahitra tsy tadiavina fa tonga ho azy. Ary tsy ny olombelona no manome izany fa Andriamanitra (Kôh 6, 2 // Jôba 19, 9). Ka mipetraka ho azy izany fa tsy ilaina katsahina. Raha isika no mametraka ny haja aman-kasina amin’ny tenantsika dia tsy mateza izany; fa mety hiteraka henatra sy fahafaham-baraka aza. Fa maharitra sy mateza kosa izy raha Andriamanitra no manome izany. Noho izany, “aza mba mety hantsoina hoe Raby”, hoy i Jesoa; izany hoe aza manaiky ho hasohasoin’ny olona noho ny voninahitra tsy sahaza fa mety hampivaona sy hamitaka antsika izany, ka mitondra antsika any amin’ny fiavonavonana. Ary “aza miantso olona eto an-tany ho rainareo”; izany hoe aza manasoaso olona amin’ny voninahitra tsy mendrika azy fa mety hampivaona sy hamitaka azy izany ka mitondra azy any amin’ny fiavonavonana. Toetra ratsy izany ary toetran’ny mpihatsaravelatsihy. Fa ny fanetren-tena no aoka atao fiainana sy atao fitafy mandrakariva tsy misaraka amin’ny tena toy ny akanjo. Koa na ny lehibe na ny manam-pahefana dia aoka hitafy fanetren-tena. Fa hoy Andriamanitra: “Ny fireharehana, mialoha ny faharavana ary ny fiavonavonana mialoha ny fahalavoana” fa “ny fanetren-tena kosa, mialoha ny voninahitra”. Izany hoe “ny olona miavonavona mivarina amin’ny fietrena fa ny manetry tena ao am-po mahazo voninahitra” (Oh 16, 18 // 18, 12 // 29, 23).
Koa manàna àry fanetren-tena toa an’i Masina Maria fa nasandratr’Andriamanitra izy noho ny fanetren-tenany.