26 febroary 2024 — Alatsinainy, Herinandro Faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 6, 36-38)

Raha atao indray mijery ity Evanjely ity dia mizara roa. Ny tapany voalohany dia miresaka momba ny famindram-po ; ary ny tapany faharoa dia manoritsoritra ny fanaovan-tsoa na ny fanasoavana. Famindram-po sy fanasoavana izany no asongadin’i Jesoa androany. Efa toetran’Andriamanitra mihitsy ny mamindra fo sy manao soa. Izany hoe ny maha-Izy an’Andriamanitra mihitsy no ambaran’i Jesoa amintsika mba hanahafantsika Azy. “Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo”, hoy i Jesoa. Ary efa voalaza any amin’ny Eksaody 34, 6 fa mpamindra fo Andriamanitra ary Izy tenany mihitsy no milaza izany tamin’i Moizy. Hoy Izy: “Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sy be hatsaram-po amam-pahamarinana Aho”. Hoy ihany koa i Jesoa milaza ny toetran’Andriamanitra: “Fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa”. Toy izany Andriamanitra rehefa manao soa: tsy mifidy olon-kasoavina ary tsy miangatra toy ny masoandro be lohataona. I Jesoa mihitsy no efa nanambara izany ao amin’ny Matio 5, 45: “Ny Rainareo izay any an-danitra, hoy Izy, dia Ilay mampiposaka ny masoandrony amin’ny tsara fanahy sy ny ratsy fanahy, ary mandatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina”. Toy izany àry Andriamanitra: mpamindra fo Izy ary mpanao soa. Koa mba manao ahoana isika manoloana izany? Dia mety hiteny isika hoe fa izaho angaha Andriamanitra? Izy Andriamanitra dia vitany izany! Satria Izy Andriamanitra; fa izaho tsy Andriamanitra; noho izany, tsy vitako izany. Avonavona ihany nefa izany. Fa matoa i Jesoa milaza ireo toetra roa ireo amintsika dia fantany fa azontsika atao tsara ny manatanteraka azy.

Ahoana àry no hahaizana mamindra fo tahaka ny Ray? Dia i Jesoa ihany eto no manoro antsika amin’izany. Voalohany, mahay mamindra fo isika rehefa tsy mitsara. Toetra ratsy mora mahalatsaka antsika olombelona mantsy io mitsara olona io. Mailaka mihitsy isika hamoaka teny fiampangana, teny famaizana tokony atao amin’ny hafa raha vao mba mahita lesoka kely ataony. Ny ataon’ny mpitsara mantsy dia miampanga sy manafay. Ka raha mitsara olona isika dia toy ny manao izany. Mora anefa ny mitsara fa sarotra ny mando-tratra. Izay no nahaloa-bolana ny Ntaolo hoe: “Tsy misy mahita kilema momba tena”. Koa aleo tsy mitsara mba tsy ho tsaraina, hoy i Jesoa. Faharoa, mahay mamindra fo isika rehefa tsy manameloka. Tsy misy tsy diso raha mbola samy olombelona koa. Ny mifanala tsiny no tokony hahamaika fa tsy ny mifanameloka. Koa “tsongoy fon’olona, tsongoy fon-tena”. Tandremo ny atao “fandrao maka afo hanetroka ny tena”, hoy ny Ntaolo. Ka aleo àry tsy manameloka, hoy i Jesoa. Fahatelo, mamindra fo isika rehefa mahay mamela heloka. Koa aleo mamela heloka toy izay hamelan-keloka.

Etsy andanin’izany, tsy mpamindra fo fotsiny Andrimanitra fa mpanao soa koa. Arak’izany, “ny veloma soava tsarà, hono, tsy mahavelom-bady aman-janaka”. Toy izany koa, ny finoana sy ny asa tsy mahazo misaraka, hoy i Masindahy Jakôba. Ka mba ho lavorary ny fahaizana mamindra fo dia tsy maintsy arahina asa soa. Inona àry ny atao amin’izany? Ny atao dia ny manome. Ny manome no isan’ny asa soa tsara indrindra sy ankasitrahan’Andriamanitra indrindra. “Izay manolotra an-kafaliana no sitrak’Andriamanitra” (2 Kor 9, 7). Izay no mahatonga an’i Jesoa miteny amintsika mba hahay manome ary hanome ara-drariny. “Ampiasao àry ny rakitrao, araka ny didin’ny Avo indrindra, dia hahazoanao soa mihoatra noho ny volamena izy” (Sir 29, 11).

Koa ho tahian’Andriamanitra anie isika ho mpamindra fo sy ho mpanao soa tahaka Azy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...