24 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

Ity teny famaranana nataon’i Kristy tamintsika anio teo ity, “aoka ho lavorary ianareo, tahaka ny fahalavorarian’ny Rainareo izay any an-danitra” no antso fototra ho antsika olombelona. Mamaritra ny fiainantsika io, izany hoe: ilana ezaka isan’andro, no sady tanjona tratrarina. Ary natao ho an’ny rehetra. Ny fahalavorariantsika eo anatrehan’Andriamanitra anefa, araka ny nambara tamintsika omaly, dia tsy maintsy mandalo ary tsy misaraka amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, amin’ireo mpiara-belona. Ary ny fomba nitiavan’Andriamanitra antsika no fomba ihany koa entintsika mitia ireo namantsika, eny fa na dia ny fahavalo aza, hoy i Kristy.

Noho izany indrindra no tsy maintsy, itiavantsika ny olombelona rehetra, na ireo heverintsika ho tsara izany na ireo ratsy, na mendrika ho tiavina na tsia, araka ny fijerintsika olombelona. Tsy izay namana ihany, hoy i Kristy mampianatra antsika ny lalan’ny fahalavorariana, no tiavina fa na ny fahavalo aza. Izany hoe: Ny olona rehetra tsy an-kanavaka no hanokafantsika lalana mba hahatsapana ny fisiany sy ny maha izy azy, hananany toerana ao am-pontsika sy ho voaray araka ny tokony ho izy. Tsarovy anefa fa ny mitia ny fahavalo, dia asa mihoatra ny maha olombelona: “surhumain”, sarotra tanterahina kanefa azo iainana, satria ny fahasoavan’Andriamanitra no manentana antsika haneho izany. Toy izany koa, ny mitia ireo nanao ratsy tamintsika, izany hoe: “isika mizaka fijaliana tsy an-drariny, mizaka ny mafy kanefa tsy mitroatra na mikendry valifaty miaritra izany”, tsy asan’ny tenantsika samirery ireny fa vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hisehoan’ny hatsaram-po ananany eo amin’ny tenantsika. Hiainantsika ny famindram-po toy ny ataony antsika isaky ny mandà sy tsy mandeha araka ny lalany isika.

Misy fahavalo, misy mpanao ratsy, sarotra hadinoina, ary amin’ny fitenintsika mihintsy hoe: tsy mendrika ho tiavina akory, kanefa ny tsy fahankahalana sy ny tsy fiheverana hamaly faty azy ireo dia efa fitiavana azy, fa indrindra moa fa ny vavaka ataontsika ho azy ireny. Hitondra antsika ho amin’ny fahalavorariana anie izao karemy izao.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...