21 febroary 2024 — Alarobia, Herinandro Voalohany amin'ny Karemy — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 29-32)

Manitsy sy anatra ho antsika ankehitriny ity tenin’i Kristy hoe: “taranaka ratsy mitady famatarana”, voalazan’i Masindahy Lioka teo ity. Ny fitadiavana famatarana mantsy dia sady fanehoana fahajambana no mampikombona ihany koa, izany hoe: “fandavana tsy handeha lavidavitra kokoa.” Ny olona mitady famatarana dia olona tsy te hivelatra, tsy te hahita ny tena izy ambarany ary tsy hizotra ihany koa any amin’izay kendreny. Efa nisy hatrany am-boalohany teo amin’ny tantaram-pamonjena ny famantarana, anisan’ireny ny zanak’Israely mandia tany maina teo afovoan’ny ranomasina mena, ny mana tany an’efitra, ary henontsika teo ny famataran’i Jonasa mpaminany, telo andro tany ankibon’ny hazandrano vaventy, tonga tany Niniva hiantso fibebahana ny vahoaka tao. Ireny famatarana ireny dia natao hampitodika antsika olombelona amin’Andriamanitra, natao hampatoky antsika Azy, ary hinoana Azy koa.

I Jesoa Kristy, famatarana ahitantsika an’Andriamanitra, “Sacrement de Dieu”, Andriamanitra eo anivontsika, mahita sy mahatsapa ny manjo antsika, tsy vitan’izany fa manasitrana sy manafaka antsika amin’ireo mangeja. Ireo taranaka ratsy mitady famatarana ambaran’i Kristy ireo raha adika dia hoe: taranaka tsy manaiky handeha araka an’Andriamanitra. Ny zava-dehibe na ny lohalaharana voalohany amin’Andriamanitra, na araka an’Andriamanitra dia tsy voatery hifanaraka amin’ny antsika olombelona, na priorité hoy isika. Ny Azy dia ny fontsika aloha no mila vonona sy mila madio. Ary ny hanadio ny fontsika sy hamoky ny fanahintsika ary ny hanafaka antsika amin’ny tsy fahalalana, no voalohany amin’Andriamanitra, mba hiainantsika ny marina sy hanarahantsika azy. Izany no zava-niseho tao Niniva, tamin’ny andron’i Jonasa mpaminany; saron’ny fahotana sy ny haratsiana ny vahoaka, ka tsy nahatsinjo ny hihafarana, izany hoe ny faharavan’ny tanàna. Ka ireo nanokatra ny fony sy nandray an’i Jonasa ho mpaminany, olon’Andriamanitra, dia nibebaka, niala tamin’ny lalan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaony.

I Kristy no Sacrement de Dieu, Izy ahitantsika an’Andriamanitra, ary ny Eglizy no famatarana an’i Kristy sady manohy ny asany mitaona ny olombelona rehetra ho ao amin’Andriamanitra. Mampianatra ny Eglizy, manitsy sy manoro ary mampahafantatra ireo endrika haratsiana mandrava sy manimba an’izao tontolo izao; ankatoavy izy fa aza miandry ny tsy hita na mitady porofo etsy sy eroa vao hibebaka na hiova.

Izao karemy izao indrindra no hanentanan’ny Eglizy antsika mba hibebaka. Koa enga anie isika ho toy ireo mponina tao Niniva ka hahatsapa ny haratsiana sy ny tsy mety ataontsika ka haneho fibebahana hiala amin’izany.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...