25 janoary 2024 — Ny nibebahan'i Masindahy Paoly Apôstôly — Fety — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo, ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 15-18)
Mankalaza ny nibebahan’i Masindahy Paoly ny Fiangonana anio, ary ny tena anakalazaintsika moa dia ilay herin’ny fahasoavan’Andriamanitra nanova an’i Saoly, ilay nirìn’Andriamanitra ho Paoly, nanao ny tenany ho bitika mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra. Izay no tena soritin’ny fankalazana ataontsika anio, ilay herin’ny fahasoavan’Andrimanitra afaka manova ny fiainantsika ho tonga olom-baovao. Ny fibebahan’i Masindahy Paoly dia manambara miharihary amintsika fa mahefa zava-dehibe sy mahagaga ny fahasoavan’Andriamanitra ao amin’ny fanahin’izay mandray ny antsony sy manoina azy amin-kitsipo. Fantantsika ary fa i Saoly, ilay fatra-panenjika teo aloha no indro tonga i Paoly Apôstôly mafana fo mitory hoe “fantatro ilay inoako (2 Tim 1, 12)… ny finoana ny Zanak’Andriamanitra no mahavelona ahy, dia izy ilay efa tia ahy ka nanolo-tena hamonjy ahy (Gal 2, 20)”.
Nibebaka sy nafana fo tokoa ity apôstôly vaovao ity, ary ity Evanjely nohenointsika androany ity dia tena niainany marina tokoa ary noraisiny ara-bakiteny aza: “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra”: nitety tanàna maro tokoa i Paoly, ao ny nataony dia an-tongotra, nadehanany sambo, ary nahavita kilometatra maro. Miisa 13 ny taratasy nosoratany, mampiseho ny hafanam-pony izany, entiny hanehoana ny voninahitr’Andriamanitra.
Tsarovy àry fa izay mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra ihany no afaka hitory izany amin’ny hafa. “Ampafantariko anareo, ry rahalahy, fa ny Evanjely izay notoriko taminareo, dia tsy mba avy amin’olombelona; fa tsy tamin’olombelona no nandraisako na nianarako azy, fa tamin’ny fanambaran’i Jesoa-Kristy. […] Nefa sitrak’Andriamanitra ilay nanokana ahy hatrany an-kibon-dreniko, sy niantso ahy tamin’ny fahasoavany, ny hanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako azy any amin’ny jentily.” (Galata 1, 11. 15)
Hita hoe natoky ny herin’Andriamanitra tokoa i Paoly teo am-pitoriana ny Vaovao Mahafaly. Lesona lehibe ho antsika ny fitokisana ny herin’Andriamanitra, izany no hahafahantsika matoky ny fampanantenan’i Kristy henontsika tamin’ny Evanjely teo: handroaka demony amin’ny anarany, handresy ny ratsy satria tsy hanam-pahefana amin’ny hazavana ny herin’ny maizina, i Jesoa fahazavana, ary izay mino hoy i Jesoa dia hanao zavatra lehibebe kokoa noho ny nataony satria miakatra any amin’ny Ray izy ary mandefa ny Fanahy ho antsika (Joany 14, 12).
Meteza tahaka an’i Masindahy Paoly àry isika ho vonona lalandava hihaino ny Tompo sy hanatanteraka ny sitrapony amintsika.