6 janoary 2024 — Sabotsy, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Ary ny Teny dia tonga nofo, ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahazoana ho tonga Zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk 1, 6b-11)
Ry mpihaino hajaina, alohan’ny hiatrika andraikitra, na zava-dehibe ny olona iray eo amin’ny fiaraha-monina matetika dia misy hetsika na fiomanana ataony amin’izany. Raisintsika ohatra ny hataon’ny olona handray andraikitra lehibe anankiray eo amin’ny fiaraha-monina, na eo amin’ny firenena, na eo amin’ny Fiangonana dia tsy maintsy misy ny fanomezan-toky sy ny fianianana ataony eo anatrehan’ny fiaraha-monina sy Andriamanitra. Izany hoe fanehoana eo anatrehan’ny mpiara-belona fa handray fahefana izy ary vonona hanatanteraka izany an-tsakany sy an-davany araka ny tokony ho izy. Tahaka izany ihany koa amin’ny fiainana maha kristianina. Vao mainka moa fa ilay Zanak’Andriamanitra lahitokana hanatontosa ny iraka lehibe hamonjy antsika olombelona.
Tsy maintsy hambara ampahibemaso Izy fa Izy tokoa ilay Zanak’Andriamanitra. Iza àry no sahy hanambara azy ampahibemaso? Ary ahoana ny hanatontosana izany eo anatrehan’ireto vahoaka miandry fatratra ilay ny fahatongavany? I Joany dia efa nahalala mialoha: “Avy aoriako ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika ny hiondrika hamaha ny fehin-kapany akory aho”. Fantatr’i Joany loatra ny halehiben’i Jesoa amin’ny fahefana sy voninahitra maha Andriamanitra azy ary ny fahafantarany izany dia tamin’ny fanetren-tena nananan’i Jesoa, handray ny batemim-pibebahana na dia tsy nanam-pahotana aza.
Tsy olombelona no nametraka sy nanamarina ny fanirahana ataon’i Jesoa fa ilay naniraka azy. “Ianao no zanako malalako, Ianao no ankasitrahako”. Ary tsy handeha amin’ny sitrapony Izy fa miara-dalana amin’ny Fanahy Masina. I Joany no vavolombelona marina nanatrika izany. Nanome ohatra sy modely ho antsika i Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra mba hanatontosantsika ny fiainana maha kristianina. Mila manana fanetren-tena isika satria izay manetry tena dia hasandratr’Andriamanitra. Tsy hiavona fa vonona hiara-dalana amin’ny olona rehetra, indrindra ny mpanota. Tsy handeha amin’ny herintsika fa hiankina amin’ny fahasoavan’Andriamanitra, hiaiky ny fahalementsika sy fahosantsika ka hanaiky ny hatao batemy, ho tonga zanaka hatsangany ka ho mpiara-miombona antoka amin’ny Zanany amin’ny fanitarana ny fanjakan’Andriamanitra. Hahatsiaro mandrakariva isika fa ny Fanahy Masina no mamelona antsika ka hahatonga antsika hijoro ho vavolombelon’i Kristy amin’izay hatao rehetra, na eo anivon’ny fiaraha-monina, ny firenena, ny Fiangonana misy antsika ka tsy hatahotra satria izy no mamelona sy mankahery antsika.
Ry Fanahy Masina ô, tongava mankahery anay amin’ny ady atrehanay isan’andro. Amen.