5 janoary 2024 — Zoma, Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 43-51)

Ry mpihaino hajaina, hitantsika hatramin’ny omaly ny fomba nihaonan’ireo mpianatr’i Jesoa taminy voalohany araka nosoratan’i Masindahy Joany, tsy iza izany fa i André, i Joany, i Piera. Izany hoe amin’ny alalan’ny fanelanelanana, ny fijoroana vavolombelona ataon’ny namana hanambara ny Tompo no ahafantarantsika bebe kokoa an’ i Jesoa. Tsy gaga isika raha misy fianakaviana, mpinamana, mpiara-monina lasa samy kristianina, iray Fiangonana, samy lasa relijiozy ary indraindray aza dia lasa mihambo ho tompon’ny fiangonana mihitsy ka ny anaran-dray no entina manamarina fa kristianina. Na eo aza ny fanelanelanana dia fanampiana ihany izany fa ny Tompo no tena miantso.

Hitantsika anio, fa niantso mivantana an’i Filipo i Jesoa, izy izay mpiray tanana amin’i Piera, sy i Andre. Hoy mantsy i Jesoa : “Manaraha Ahy”. I Filipo izay resy lahatra fa nihaona sy nahita an’i Jesoa araka ny voalazan’ny Lalàna sy ny mpaminany. Tsy notazominy samirery izany fahasoavana azony izany fa nambarany tamin’ny namany Natanaely.

Ny valintsika amin’ny fanarahan-dia an’i Kristy indraindray dia tsy mitovy, misy misalasala, misy mbola mampiandry, misy ny tonga dia tapa-kevitra avy hatrany. I Natanaely ohatra dia tsy nino raha ny valin-teniny tamin’i Filipo. “Moa mba mety hisy zava-tsoa va avy any Nazareta?” Indraindray tokoa dia sakana ho an’ny fisokafantsika ny fijanonana amin’ny fitsarana ety ivelany. Nasain’i Filipo i Natanaely mba hijery aloha vao hitsara: “Avia ka zahao”. Mety tsy ho ampy maharesy lahatra indraindray ny fanampiantsika na ny fanelanelanana ny namana, fa ny tena maharesy lahatra dia ny tena fihaonana manokana amin’ny Tompo. Mila firosoana izany, mila mandeha, mila tapa-kevitra andeha hijery. Io dingana io no tadiavin’Andriamanitra amintsika, rahefa hitany izany finiavana te hihaona aminy izany dia Izy no mahita ny fomba entiny handresena lahatra antsika amin’ny fanapahan-kevitra raisintsika. Hoy i Jesoa: “Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka”.

Nasehon’i Jesoa fa mahalala ny olona rehetra Izy, nasehony fa fantany i Natanaely na mbola tsy nihaona taminy aza. Fantatr’i Jesoa isika tsirairay avy, tsy misy miafina aminy ny momba antsika, ampy ho antsika ny mitoky aminy araka ny nambaran’i Natanaely: “Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely”.

Ry Ray ô, ampitomboy ny finoanay ka tsy hisalasala izahay amin’ny fitarihan’ireo namanay hanatona anao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...